Pôetawebs
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

18 septambra 2019
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja


KALO TSY ARITRA : ANTSAN'NY MPANABE
sary nindramina


Antsa tononkalo miavaka tokoa no niseho tao amin'ny Cemdlac Analakely ny alarobia 09 septambra 2019 teo, mitondra lohateny hoe KALO TSY ARITRA.
Mpampianatra efatra mirahavavy no niaraka nanatontosa ny hetsika, tsy iza izany fa :

- Salohy Rovamamy, Talen-tsekoly ao amin'ny CEG Ampasika Mahitsy
- Fenotsiky Idealy, Mpampianatra avy any Moramanga
- Ando Malala, Mpampianatra amin'ny akanin-jaza RAITRA KIDZ ALASORA
- Ony Lantoarimamy Ravorombato, Mpampianatra amin'ny Ambaratonga fototra avy any Arivonimamo.

Nisy ny fampahafantarana ny momba azy ireo mialoha ny nankafizana ny asa soratry ny tsirairay. Nanokatra ny hetsika ny solontenan'ny Talen'ny Cemdlac Analakely, narahin'ny teny fiarahabana. Hira sy tononkalo kosa no nanohizana ny fotoana.

Tara-kevitra telo mazava tsara no novoizina tao anatin'ny fotoana.
* Ny fizarana voalohany dia mahakasika ny fiarahamonina, noravahin'izy efatra rahavavy tamin'ny haingon-tsehatra kanto tokoa, ka nisongadinan'ny elo mitovy loko.
* Ny fizarana faharoa kosa dia mahakasika ny fitiavana izay naseho tamin'ny alalan'ny teatra poetika. Nankafizin'ny rehetra tokoa ny tantara izay nanehoan'izy ireo ny fiainana hita andavanandro ary nahazoan'ny rehetra lesona amin'ny maha mpanabe ireo mpisehatra.
* Nofaranana tamin'ny antsa momba ny firenena sy ny tanindrazana ny fotoana.

Nanafana ny fotoana tamin'ny hira i Vanintsoa avy ao amin'ny Tarika Ikala Vazo sy ny zanany lahy kely Tarantsoa. Voalohany nanehoan'i Tarantsoa ny kantony ity tao Analakely ity izay azo lazaina ho manan-talenta miavaka tokoa. Ny nandrindra ny sehatra kosa dia i Mina Ilarion ary ny nanentana dia i Ando Harinjaka. Nanao ny haingon-tsehatra i Sitraka Feno Tanteraka. Natao izao hetsika izao mba hampahafantarana fa ny mpanabe dia manana anjara lehibe tokoa eo amin'ny sehatra maro ho fanoitra ho amin'ny fahalalana sy ny fanandratana ny teny malagasy.

Marihina fa tokony ho nisy ny boky navoaka saingy noho ny tsy fahatomombanana tsara dia tsy tanteraka tamin'io fotoana io izany.

Tatitra : Léa Fandresena
Sary : Salohy Rovamamy
Takelaka : Toetra Ràja

sary nindramina

poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 18/10/2019