varavarana
poeta_malagasy

ikopa


TAKELAKA
Vavahady
Tapatapak'ahitra
Tononkalo
Sehatra
Lahatsoratra

  Vavahady    Tapatapak'ahitra        Tononkalo         Sehatra         Lahatsoratra  

SEHATRA


Takelaka anangonana ireo vaovaon'ny tononkalo toy ny fampisehoana an-tsehatra, antsa, tantara tsangana.


Hiran'ny matoy



25 febroary 2010

Tanteraka soa aman-tsara omaly 24 febroary ny fihaonan'ny poeta sy ny mpakafy poezia malagasy teny amin'ny Cercle Germano Malagasy.

Niaka-tsehatra teny ry Nalisoa RAVALITERA, OM'GUY ary RANOE tamin'ny alalan'ny tononkalo miisa 30 momba ny fitiavana ranoray ary tamin'ny endriny rehetra : olon-droa, ray aman-dreny sy zanaka, mpiray tam-po, mpiara-monina sns.

"Hiran'ny Matoy" no teny filamatra novoizina nandritry ny fampisehoana. Nohamarinin'izy telo lahy fa matotra amin'ny fanoratana tokoa izy ireo. Samy nanana ny fanamiana nampiavaka azy izy telo lahy. Satroka ahibano ny an'i Ranoe, lobaka fotsy botsiaka ny an'i Nalisoa RAVALITERA, ary i OM'GUY moa dia fantatra loatra amin'ny satroka volontany fanaovany miaraka amin'ny tarika NY AINGA, izay izy rahateo moa no filohany.


Mazava loatra fa tsy diso anjara amin'ny fanafanana ny lanonana ny tarika NY AINGA. Matetika koa moa no nitendry gitara ny Matoy. Nisy matoy hafa koa hita tao an'efitrano toa an'i SOLOFO José sy ny vadiny LYDIARY, Elie RAJAONARISON sns. Hita tao koa ny poeta zandriny izay efa fantatra eto amin'ny tranonkalan'ny POETA MALAGASY toa an'i ZO MAMINIRINA, MANATSIALA ary NIRAVO izay niaka-tsehatra mihitsy nampiaina ny tononkalon'i OM'GUY. Hita teny am-pelatanan'ny mpijery ny bokin'ny Matoy navoaka manokana ho an'ity sehatra ity.


Ny mpijery rahateo koa moa dia nahatsiaro tena afa-po tanteraka satria tafitan'ireto galifantsin'ny poezia malagasy ireto ny hafatra. Hiboka ny efitrano ary betsaka aza no nitsangana tany aoriana sy nibosesika teny am-baravarana. Tety anoloan'ny sehatra koa aza moa dia feno olona nitalapetraka. Tanora no ankabeazan'ny mpijery ary nanatombo isa ny ankizivavy. Azo lazaina fa be fihetseham-po kokoa ve ny ankizivavy ? Nahavariana rahateo moa ny mahita ny mpijery maro mandray an-tsoratra ny zavatra nahaliana azy ireo.

Ho an'izay mbola tsy mahafantatra dia tsara ny manamarika fa fanaon'ny Mpiray FARIBOLANA SANDRATRA ny miantsa tononkalo ao amin'ny 
Cercle Germano Malagasy isaky ny alarobia fahefatry ny volana. Voalohany amin'ity taona ity anefa ity natao omaly ity ary ny sangany ao amin'ny Mpiray FARIBOLANA no nisantatra azy. Nandritry ny fampisehoana dia nojifain'ny mpijery ny gazety AMBIOKA, gazety mpiseho isam-bolana efa hatramin'ny taona 1997.

_______________________________________

15 febroary 2010

Antsantononkalo voalohany hotanterahin'ny Faribolana SANDRATRA amin'ity 2010 ity ny HIRAN'NY MATOY, hiarahantsika mianoka ao amin'ny Cercle Germano Malagasy Analakely.


Hiavaka satria ny azo heverina fa anisan'ny ngeza sy manan-kolazaina eo amin'ny haisoratra amin'izao fotoana izao no nofehezina ho amboara iray atolotray am-pitiavana eo am-pelantananao.


Tsy misy vidim-pidirana fa ny tenanao no tapakila, ary azonao vidina eny an-toerana ny boky hirakitra ny antsantononkalo. Azo jifaina eny koa ny Gazety Haisoratra AMBIOKA laharana 101.

Azo antoka ny fiantsonan'ny fiara sy ny fiarovana azy.

Ilazao ny namantsika rehetra fa antsatononkalo tsy hisy toy ity.

Mandra-pihavana ary, eto am-piandrasana ny fotoana hiaraha-mianoka ny HIRAN'NY MATOY.

Faribolana Sandratra.


poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 13/06/2020

×