Créer un site internet
Ndao hamaky boky sy Hifanakalo kalo
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

01 desambra 2020
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T.Ràja

TSIROANOMANDIDY
— NDAO HAMAKY BOKY & HIFANAKALO KALO


Velona ny soratra; miroborobo ny literatiora malagasy. Lavorary soa aman-tsara ny sabotsy 28 nôvambra 2020 lasa teo tokoa mantsy ny hetsika ara-kolontsaina teo ambany fiahian'ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina sy ny Serasera (MSK) tao Bel Air Mangarivotra Tsiroanomandidy, nifarimbonany tamin’ny fikambanana Faribolana Sandratra sy Bongolava An-tsitrapo. Hetsika roa no natolotra teto dia ny "Ndao hamaky boky” novolavolain’ny MSK sy ny “Hifanakalo kalo” narindran’ny Faribolana Sandratra. Isan’ny nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka tamin’izany ihany koa ny fikambanana Bongolava An-tsitrapo.

Nizotra tamin’ny filaminana sy firahalahiana tanteraka ny lanonana izay natrehin’ireo olo-manan-kaja maro sivily sy miaramila. I Avelo Nidor  izay mpandrindra ny Faribolana Sandratra Tsiroanomandindy no nanao ny fanentanana rehetra. Nanokatra ny fandraisam-pitenenana Atoa Razafindrakoto Radoniaina talem-paritry ny MSK ao Bongolava. Nohamafisiny nandridra ny lahateniny fa mbola hotohizina ny hetsika tahaka itony fa tsy ho tapitra hatreo akory. Taorian’izay dia nifandimby nandray fitenenana ireo solotena isan-tsokajiny tamin’ireo mpandray anjara tamin’ny hetsika. Nanohy ny kabary fanokafana ny filohan’ny fikambanan’ny Bongolava An-tsitrapo, narahin’ny lahatenin’ny mpandrindra nasionalin’ny Faribolana Sandratra, Atoa Rakotomahafaly Norbert Eugene na i Ranoe. Namarana ny fandraisam-pitenenana ny Tale Jeneralin’ny Serasera eo anivon'ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Marihina fa tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Jeneraly  Ramiarimanana Joseph izay Governoran’ny faritra any an-toerana, notronin'ny Prefet sy ny Ben’ny tanàna tany an-toerana ary olo-manan-kanja maro.



Nandritra ity hetsika ara-kolontsaina sy zava-kanto ity no nanolorana ny boky nosoratan’i Fanja Razah mitondra ny lohateny hoe TSOAKAHITRA. Ity boky ity no nahazo ny loka voalohany tamin’ny loka Nirhy Lanto tamin’ny taona 2016 ary ahitana sombintantara miisa enina ao anatiny. Raha efa izany dia nitondra  fanazavana mikasika  ny fomba famakian-teny i Ranoe ka nambarany fa mizara telo miavaka tsara ny fomba famakian-teny dia ny vakiteny tsotra, ny vakiteny mirindra ary ny vakiteny miaina. Nanao fampiharana avy hatrany ireo mpianatra tonga nanatrika taorian’izay ka naneho ny famakiana boky.

Anisan’ny ivon’ny tanjona tamin’ity hetsika ity ny hamerenana ny tsirairay, indrindra ny tanora sy ny ankizy, ho tia vaky boky ka rariny loatra raha nisy ny varotra fampirantiana  momba ny boky natao tany an-toerana. Maro ireo pôeta sy mpanoratra no niara-nisalahy nandavorary izany ary nanafana tamin’ny antsa tononkalo sy zava-kanto maro loko raha tsy hilaza hafa tsy ry Ny Iraka Rambolamanana, Avelo Nidor, Semanjaka sy ireo maro tsy voatanisa. Niavaka koa ny fanotronan'ireo mpiraifaribolana maro tao. Tsy vitan’izay fa mbola naneho ny talentany ihany koa ireo mpanao slam  izay tonga tany.

Maro tsy tambo isaina ireo nanatrika sy nankafy ny hetsika ary izany no manaporofo fa manomboka miroborobo sy mipaka ao anatin’ny Malagasy indray ny fitiavana ny teniny sy ny tantarany mbamin’ny fomba sy kolontsaina isan-karazany  amin’ny alalan’ny vaky boky ka mahavelom-panantenana ny hoavin’ny literatiora malagasy.

Tatitra : Faniry Ezeckiel





















Sary : Fikambanana Bongolava Antsitra-po, Sunny Razakamanana
Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja
© Pôetawebs

Date de dernière mise à jour : 02/12/2020

×