Créer un site internet
Pôetawebs Misehatra
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
18 febroary 2021

PÔETAWEBS MISEHATRA TAO ANOSY
Pôetawebs Feno hipoka ny efitrano Dox an'ny Tranombokim-pirenena Anosy omaly 17 febroary 2021 tamin'ny 2 sy sasany tolakandro, nanatrehana ny hetsika nokarakarain'ny Tranombokim-pirenena sy ny tranonkala Pôetawebs. Tamin'ny iray ora dia efa nanomboka niditra ny efitrano ny olona ary nisy mihitsy ireo tsy nahita toerana.

Nanokatra ny fotoana ny Talen'ny Tranombokim-pirenena Njaka Raonison. Voalazany fa misy efitrano famakiam-boky efatra ao Anosy ary ny iray mitondra ny anaran'i Rado.
Ando no tonian-danonana nanentana ny fotoana.Mizara roa mazava tsara ny velakevitra nentin'i Tsikimilamina Rakotomavo avy ao amin'ny tranonkala Pôetawebs.  Tao aorian'ny fanazavany momba  ny tranonkala, ny antom-pisiany, ny endriny sy ny atiny ary ny tanjony dia nofintininy ny sorapiainan'i Rado.

Pôetawebs Nitondra fanampim-panazavana momba ny rainy kosa i Andry Andriamanantena toy ny maha anisan'ny filohan'ny Tanora Folo Trano an'i Rado. Nomena ny mpanatrika ny sehatra nony avy eo ka namalian'i Andry ny fanontanian'izy ireo. Sady liana fatratra izy ireo no mbola nihanoka ny fiantsan'i Andry Andriamanantena ny tononkalon'i Rado roa. Tononkalo mahatsikaiky ny maro ny voalohany: "Fiadanana hafahafa", nodimbiasan'ny "Ao Vietmana ao". Marihina fa nivatsy boky natolotra ny Tranombokim-pirenena ny fianakavian'i Rado. Ny tranonkala Pôetawebs koa dia nanolotra ny boky Sorapiainana 1 ho an'ny fianakaviana.

Amin'ny alalan'ny fandalinana sorapiainana no entin'ny Pôetawebs manandratra ny pôeta efa nodimandry. Tsy diso anjara koa anefa ireo pôeta mbola velon'aina sy manoratra amin'ny alalan'ny Tapatapakahitra. Naseho an-tsehatra izany tamin'io tolakandro io ka i Faniry Ezeckiel avy ao amin'ny Pôetawebs no nanentana. Vahininy tamin'izany ny pôeta mirahalahy sady mpamoron-kira antsoina hoe Lioka sy Jaona Ramarolahy.


Noresahina tao ny momba ny boky "Masoandro mamatonalina", ny mahasamy hafa ny famoronana hira sy tononkalo, ny hevitr'izy ireo momba ny tenindreny izay tokony ho tenindrazana araka ny voalaza tao.  Nasian-dresaka koa ny fomba fanoratry ny pôeta ankehitriny izany tenindreniny izany, indrindra fa eo anivon'ny aterineto.

Tao aorian'ny Tapatapakahitra dia nitendry zavamaneno i Jaona Ramarolahy ka nampihira ireo mpanatrika ilay hiran'i Lioka Ramarolahy fantatry ny maro hoe "Jeso Vato Fehizoro". Marihina fa tsy nataon'izy mirahalahy ambanin-javatra ny tsodrano nomena ny tranonkala Pôetawebs.

Fisaorana no namaranan'i Tsikimilamina Rakotomavo ny fotoana noho ny hamaroan'ny mpijery izay tsapa fa liana tokoa. Mpianatra mpikaroka, Akademisiana, taranaka pôeta ary ireo liana amin'ny literatiora malagasy ireo nahafoy ny tolakandrony ireo.

Tatitra : Toetra Ràja
Sary : Riambola Mitia, Sahondra Andriamihamina, Tsikimilamina Rakotomavo, Angéline Zoliharisoa

Pôetawebs Pôetawebs
Njaka Raonison, talen'ny Tranombokim-pirenena

Ando, tonian-danonana

Pôetawebs Pôetawebs
Ramarolahy mirahalahy miaraka amin'i Faniry Ezeckiel

Indray mitopy mason'ny hita avy tety anoloana
Pôetawebs Pôetawebs
Minitra vitsivitsy mialoha ny fanombohana
Mpanatrika nombam-penina sy taratasy
© Pôetawebs

Date de dernière mise à jour : 19/02/2021