Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
26 Septambra 2021
SLAM MIKALO
Tatitra : Heriarilala Andriamamonjy
Sary : Rnt Mpikalo
Tontosa ny 15 Septambra 2021 lasa teo tao amin’ny tranombokin’ny tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina AKORY HALY (Mahajanga) ny hetsika MIKALO SLAM. Hetsika nokarakarain’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Boeny mba hampitiavana  vaky boky ny ankizy. Tanora manan-talenta no nantsoina manokana handray anjara tamin’izany izay nahitana an’i Rnt Mpikalo ho an’ny pôeta, ireo mpanao slam kosa : Lalaina "Ombre de la Plume" , Fia Ma , Saviola , Odia , Guvarche , Thierry , Luis Justeno. Nantsoantsoin’izy ireo tao ny fitiavan-tanindrazana, nokaloina ny fiainam-piarahamonina sy ny fitiavan’olon-droa. Nisy ny niantsa tamin’ny teny malagasy ary nisy koa ny nanao izany tamin’ny teny vahiny. Nisy ny fanazavana ny atao hoe slam sy tononkalo nandritra izany hetsika izany. Tanora avy amina fikambanana samihafa moa ireo nandray anjara tamin’ny fampitiavana ny vaky boky ireo, irin’izy ireo hatrany ny hisian’ny hetsika isam-bolana mba hahafahana mampivoatra ny zavakanto vita amin’ny teny eto Madagasikara hoy i Rnt Mpikalo.

 


 

© Pôetawebs

Takelaka : Toetra Ràja

 

×