Zara Ainga - Ato am-poko ianao
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
28 Septambra 2021

ATO AM-POKO IANAO - ZARA AINGA
Tatitra : Léa Fandresena - Sary : Ando Ianjatiana
Tontosa soa aman-tsara tao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitrano Dox, tamin'ny 22 Septambra 2021 teo ny hetsika mitondra ny lohateny hoe "Ato am-poko ianao", hetsika notontosain'ny pôeta Zara Ainga. Tao anatin'izany ny antsa tononkalo sy ny famoahana ny boky "Inspecteur Christophe Rabearimanana".

Nanolotra ny fotoana i Vanie Tsioarana; nanentana i Mefo Mihako mpikabary nomban'ny zavamanenon'i Jacky.

Teo amin'ny antsa tononkalo aloha dia nofongarin'i Zara Ainga tao an-tsompitra ny maro tamin'ireo nosoratany hatramin'ny nanombohany namindra. Novelomin'ny mpikambana tao amin'ny Hay Sorakanto sy ireo namana efa manana traikefa manokana ireo tononkalony tsy afaka ao ambavan'ny maro.
Nianoka ny sombin'ny tantara tao amin'ny boky vaovao "Inspecteur Christophe Rabearimanana" koa ny mpijery satria nolalaovina tao anatin'ny fanolorana ny boky izany. Finaritra ireo nanatrika satria mpilalao efa manana traikefa no niangaly. Nampiavaka ny fotoana ny fandraisan'ny mpijery tsy nampoiziny anjara. Boky tantara foronina ity natolotra ity ary mirakitra tantaran'ireo inspecteur roalahy nanao fikarohana olona namaky banky. Ahitana takila 80 izany ary i Mina Ilarion no teo amin'ny fanolorana.

Singanina manokana ny anaran'ireo mpanakanto nandrafitra ny hetsika: Kiala Mirana, Fiderana FY, Valisoa Rajaonasitera, Leza Rakotondrazafy, Iza Àry Ôooh, Ny Aroko, Antsa Honeywinner, Sitraka Rambonisoa, Tahina Lovasoa, Ando Malala Odile, Anja'tiana Jade...

Nanome boky 4 ho an'ny Tranombokom-pirenena i Zara Ainga ary natolotra ny Tale Jeneraliny Njaka Raonison. Tao aloha ny boky vaovao "Inspecteur Christophe Rabearimanana" miisa roa, miampy an'"I Vonisoa" sy "I Mendrika", iray avy.
Feno ny efitrano, tao ireo nitondra boky tao aorian'ny fakana sary miaraka amin'ny mpandray anjara, izay zary fomba fanao ao aorian'ny hetsika toy izao.

Tsara ny manamarika fa pôeta sy mpanoratra efa namoaka boky maromaro i Zara Ainga:

2016: Iny taratasiko iny
2017: Hafeniko tsy ho fantany.
2018: Ilay dokoterakeliko.
2019: Sakamalaho sy havozo. Niarahana tamin'i Tsy Avahana
2020: I Vonisoa
2020: I Mendrika
2021: Inspecteur Christophe Rabearimanana.



Zara Ainga teo am-panolorana boky ho an'i Njaka Raonison, Tale Jeneralin'ny Tranombokim-pirenena

Jacky nandrotsirotsy
Zara Ainga sy ireo mpilalaony
© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 28/09/2021