Tambatr'antsa, antsa tononkalon'i Andoniaina Cristelle, Fameno Antenaina, Ny Antso Rya
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
03 Ôktobra 2021

SAMBATR'ANTSA
Tatitra : Vetson'ny Fanahy
Toy ny jijikely mihoa-boahangy tokoa ny mpiangaly literatiora sy ny mpankafy. Noporofoin'ny vondrona "Sambatra attitude" tamin'ny alalan'ny "Sambatr'antsa" izany ny tolakandron'ny zoma 01 Ôktôbra 2021.

Araka izany, nampisambarin'ireo pôeta telo, Andoniaina Cristelle, Fameno Antenaina, Ny Antso Rya, tamin'ny alalan'ny tononkalo maro loko ny mpankafy tao amin'ny Trano 2 ora sy sasany ny seho ary naharitra adin'ny iray sy sasany. Nizara telo ny fotoana, mifanaraka amin'ny isan'ny tarakevitra vita tamin'ny tononkalo nantsaina: fitiavana, alahelo, anatra.

Liana ny mpankafy izay tonga maro be tokoa. Fehiny, tafita ny hafatra tiana hampitaina. Nitondra ny teny fisaorana i Andoniaina Christelle; hoy indrindra mantsy izy:

"Faly ny fo, tsy omby tratra ny hafaliana notroninareo mpankafy anay maro be. Isaorana ianareo fa feno ny toko telo mahamasa-nahandro ny literatiora, isaorana manokana ny Tranombokim-pirenena nanome ny toerana, isaorana ny Pôetawebs manohana hatrany anay".

Izahay eto amin'ny Pôetawebs dia mirary ny soa ho anareo ao amin'ny Sambatra attitude hanohy hatrany ny fiaraha- mientana ho an'ny literatiora.


Ny Antso Rya, Andoniaina Cristelle, Fameno Antenaina

Sary : Andoniaina Cristelle, sary nindramina
© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 03/10/2021