Créer un site internet
Fisoitra, antsa tononkalo sy famoaham-bokin'i Vetso Mpamaliha sy Riankanto Ny Fitia ary Antsa Tononkalo
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
17 Ôktobra 2021
Tatitra : Vetson'ny Fanahy
FISOITRA
Tontosa soa aman-tsara ny zoma 15 Ôktôbra 2021 lasa teo ny hetsika famoaham-boky "FISOITRA" tao amin'ny IVOKOLO Analakely, efitrano Théâtre Charles Ravaloson.

"FISOITRA", io no lohateny nosafidin'i Vetso Mpamaliha sy Riankanto Ny Fitia ary Antsa Tononkalo, nampitondraina ny boky tononkalo izay niarahany nahandro. Nivoaka tamin'ny fahanginany ireto pôeta telo lahy, ka nanolotra seho tononkalo ho an'ireo mpankafy azy nandritra ny famoahana tamin'ny fomba ofisialy ny boky izay novolavolain'izy ireo.

Tsy diso fanantenana ny mpanatrika, hany ka nalai-nisaraka ny tao amin'ny IVOKOLO na dia efa tamin'ny 4 ora sy sasany aza no tapitra ny fotoana. Niezaka nanolotra seho miavaka ireo pôeta telo lahy notronina pôeta roa hafa nanampy azy ireo teo amin'ny fiantsana tononkalo sy ny fiseharana.
Niala kely tamin'ny mahazatra ny fotoana tamin'ny fizarana fahatelo izay niendrika teatra poetika, hany ka sady nampiasa maso no nampiasa sofina ireo mpijery. Sady nianohana ny angolam-peon'ireo mpiantsa no nankafizina ny fihetsika nanehoana ny antsa.

Ireo tononkalo hita ato amin'ity boky "Fisoitra" ity, araka ny fanazavana nataon'ireo mpanoratra, dia mirakitra ny tontolo iainana, na tontolon'ny fanahy izany na tontolon'ny olombelona. Nezahin'izy ireo naseho teny an-tsehatra ny fitambaran'ireo tontolo roa ireo. Mba hahafantaran'ny mpankafy azy telo lahy dia tononkalo feno mistery no nampiainina ny mpankafy. Samy naminavina izay hevi-dalina tian'ny mpanoratra havohitra teo ny mpihaino.

Niezaka nampiditra ny mpijery tanaty fifantohana lalina i Antsa Razaiarisoambola nandritra ny fanentanana nataony. Teo ihany koa ny hira nataon'i Cynthia sy Mizou nanelanelana ny fizarana.
Notoloran'izy telolahy ny boky FISOITRA ny Ivokolo, boky hipetraka ho an'ny Malagasy liana amin'ny literatiora.

Fehiny, fahombiazana tanteraka ny seho an-tononkalo sy famoaham-boky "Fisoitra" nataon'i Vetso Mpamaliha sy Riankanto Ny Fitia ary Antsa Tononkalo tao amin'ny Ivokolo Analakely.

Nanolotra fisaorana ho an'ireo niara-nifarimbona taminy izy telo lahy araka izao filazan'i Antsa Tononkalo azy izao:

"Tsy hainay ny hangina ka tsy hankasitraka feno an'ireo niaraka nifarimbona ka nahatontosana iny hetsika famoaham-boky Fisoitra iny, hisaoranay ny Ivokolo nampiantrano, teo ihany koa ireo ekipa rehetra nandrafitra ny seho: ny mpiantsa tononkalo, ny mpitendry, ny mpihira ary ny mpanentana. Hisaoranay mitafotafo ihany koa ianareo mpijery izay tonga maro tokoa nanohina ny antso natao. Tsy hohadinoina ireo mpanao gazety izay niara-nisalahy taminay."

Mirosoa hasina hatrany, ary misandrata amin'ny ambony kokoa.

Sary : Vetson'ny Fanahy








© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 17/10/2021