Pôetawebs misehatra, fanandratana an'i Om-Gui sy Mahefa
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
24 Ôktobra 2021
Tatitra : Vetson'ny Fanahy
OM-GUI SY MAHEFA NANDRITRA NY POETAWEBS MISEHATRA
Nifanome fotoana tamin’ireo mpankafy ny tontolon’ny literatiora ny Pôetawebs ny alarobia 20 Ôktôbra 2021 lasa teo, tetsy amin’ny tranombokim-pirenena Anosy, efitrano Dox. Toy ny mahazatra dia ny alarobia fahatelo amin’ny volana no itondran’ity tranonkala ity mpanoratra roa nanana sy manana ny lazany, izay efa tsy vahiny intsony amin’ireo mpanaraka ny tranonkala.

Nampahafantarina ny mpijery àry ny sorapiainan'i Om-Gui tamin’io alarobia io. Mpanoratra, mpihira ary pôeta izy, mpikambana tao amin’ny Faribolana Sandratra, nanana ny anjara toerana lehibe teto amin’ny firenena, nametraka ny anarany teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto ary nanangana ny tarika Ny Ainga.

Nitondra ny voka-pikarohana momba ny tantaram-piainany ny avy ao amin’ny Laboratoara momba ny literatiora izay nosoloin’i Ny Hasina Ratsimbazafy tena. Nitondra famintinana ny mombamomba an’ity mpanoratra sy mpihira ity ihany koa i Tsikimilamina Rakotomavo izay mpikambana ao amin’ny Pôetawebs. Nanampy azy teo amin’ny tantaram-piainana i Do Rabesaiky, zokin’i Om-Gui. Nanelanelana ity sorapiainana an-tsehatra ity ny hira sy tononkalo nataon’ny tarika Ny Ainga. Rehefa avy nianoka an'izany vazo milay izany ny mpijery, ary avy namantatra an’i Om-Gui, dia niroso tamin’ny fizaram-potoana faharoan'ny seho, dia ny tapatapakahitra izany.

Nosokafan’i Lilie, mpanakanto tsy zoviana amin’ny maro, tamin’ny alalan’ny Haody ry Analamangako ity fizaram-potoana faharoa nandrasan' ny maro ity. I Mahefa, mpanoratra, pôeta, mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra sampana Antananarivo no nitapatapakahitra tamin'ny mpanao gazety namana Fy, izay sady tonian-danonana tamin’ity hetsika ity rahateo. Nampahafantarina ny mpijery aloha ny momba an’i Mahefa, noloaran’i Fy hatramin’ireo bitika indrindra momba azy. Nanazava ireo lohantenin- tononkalo izay nahatsikaiky nosoratany i Mahefa, toa ny hoe “Valopy misy oroka”, “Makorelina misotro ronono”.

Voromanga nitera-boromanga no azo ilazana ny pôeta Mahefa satria nandray anjara tamin’ny fiantsana ny tononkalony ny zanany vavy izay mbola herotrerony tokoa. Araka ny efa nampoizina dia niantsa tononkalo koa i Mahefa nandritra ity tapatapakahitra ity. Nofaranan’I Lilie tamin’ny hira ny hetsika Pôetawebs misehatra.


Nanome voninahitra ny fotoana ny Tale jeneralin’ny tranombokim-pirenena Njaka Raonison, izay sady nanokatra ny lanonana tamin’ny fomba ofisialy. Maro be ny mpijery; liana tanteraka ka tsy nampaninona azy ny maro tamin'izy ireo ny nitsangana sy nitalapetraka noho ny fahafenoan’ny seza. Tsy ny olona tao anatin’ny literatiora ihany no tonga nanotrona ny fa ireo mpianatra nanao andiany maro, nandranto fahalalana momba ireto pôeta roa lahy ireto.


Fehiny, fahombiazana feno ho an’ny literatiora ny seho nokarakarain’ny Pôetawebs io alarobia 20 ôktôbra 2021 io, feno ny toko telo mahamasa-nahandron’ny literatiora.

Nitondra ny teny famaranana i Léa Fandresena, ary tany am-pamaranana dia natolotra ho fantatry ny mpanatrika ny mpikambana iray vaovao ao amin’ny Pôetawebs antsoina hoe Vetson’ny Fanahy. Entoana ary dia maneho ny fisaorana ireo rehetra niombom-po tamin'ny Pôetawebs i Toetra Ràja izay namolavola ity hetsika ity:

“Ny fisaorana hono toy ny fary lava vany ka tsy lany hamamiana ary satry haverimberina hitoetra ao am-pon'ny Malagasy rehetra mpandala ny literatiora. Noho ianareo indrindra no antom-pisian'ny Pôetawebs, mamelo-maso ireo nialoha lalana, manohana ireo pôeta namana mpiara-dia, ary indrindra mamela mamy ho an'ny taranaka mifandimby. Hitohy hatrany izany fanandratan'ny Pôetawebs ny literatiora izany ka hanomezany fotoana indray eto amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy amin'ny alarobia faha-17 Nôvambra 2021, hanatanterahana sorapiainana sy tapatapakahitra an-tsehatra miaraka amin'ny pôeta roa manana ny maha izy azy. Misaotra tompoko!"

Sary : Vetson'ny Fanahy



Fy, Tonian-danonana
Izy telo mirahavavy avy ao amin'ny tarika Ny Ainga

Do Rabesaiky
nameno ny fintina momba an'i Om-Gui rahalahiiny

Fy namintina ny sorapiainan'i Mahefa
ary nanadihady azy


Ireo mpanatrika, indray mitopy maso. Eo anoloana ankavia ny tarika Ny Ainga. Anoloana ankavanana ny pôeta Mahefa omban'ny fianakaviany, miaraka amin'i Nalisoa avalitera

Léa Fandresena (Pôetawebs)
nitondra ny teny fisaorana
Léa Fandresena, Tsikimilamina Rakotomavo, Mahefa, Vetson'ny Fanahy, Fy

Gazety Taratra (Narilala)
Gazety Les Nouvelles (Joachim Michaël)

© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 24/10/2021