Dox_100_antsirabe

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

09 Aprily 2015

ZARAFANAHY 2015

Tanteraka soa aman-tsara ny Sabotsy 28 Mastsa teo tao amin'ny CGM Analakely ny ZARAFANAHY izay fanaon'ny Faribolana Sandrantra hizarana sehatra sy Antsa amin'ireo poeta sy mpanoratra tsy avy ao aminy.

Nafana ny sehatra niarahana tamin'izy 11 mianadahy teo an-kianjan'i Mero Kosiky sy Zazangaly ary Andriniela niaraka tamin'ireo Sandratra avy any amin'ny faritra toa an'i Ny Peniko (Sandratra Ambatondrazaka) sy Ezra S (Sandratra Toamasina). Niampy ireo efa hita fa feno traikefa dia Hemerson (poeta, mpanao hosodoko), Narilala Ravakinoro (poeta MPIZAKA STELARIM) sy Joey Aresoa (Madagaslam).

Tsy nandroaka ireo olona maro be tonga na efa hariva aza ny andro ny antsa miendrika hira noventesin'i Iriana Solevayn teo an-tsehatra, ary indrindra Ikaloyna Vony izay sady poeta no mpanao gazety ary fantatsika fa anisan'ny miandraikitra ny vondrona sy tranonkalan'ny Poetawebs

Ny antsa moa dia nielanelanin'ny tarika SAMMY tamin'ny feo mangan'izy telo mianadahy.

Isaorana ireo izay rehatra nitoto nahafotsy ary nahandro nahamasaka an'iny seho iny ary indrindra ireo mpijery izay tsy omby trano. Mankasitaka dia amin'ny herin-taona indray ny ZARAFANAHY manaraka.

Tatitra : Mina Ilarion
Sary : Ikaloyna

 

 

 

Sary fahatsiarovana niararahana tamin'ireo nandray anjara tamin'ny antsa
   
Zazangaly Irina Mpisorona
   
Narilala Ravakinoro Mero Kosiky
   
Joey Aresoa Ny Peniko
   
Ikaloyna Hemerson
   
Ezra S Aina Nirina
   
   
Ireo mpakafy nanatrika
   
   

 

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021