Créer un site internet
Mizara Ainga, hetsika fankalazana ny fahafolo taonan'ny Dian-tanamasoandro
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
31 Ôktobra 2021
Tatitra sy sary : Vetson'ny Fanahy
MIZARA AINGA
Nankalaza ny faha-10 taonany ny vondrona DIAN-TANAMASOANDRO ny zoma 22 Ôktôbra lasa teo ka nanatanteraka hetsika miavaka tetsy amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitrano Dox ho fanamarihana izany. Ny Dian-tanamasoandro dia mivoy ny kolontsaina maro loko, toy ny "tantara an-dampihazo, teatra, haiady malagasy, tononkalo, sombintantara". Ireo indrindra no nentin'izy ireo nifampizarana tamin'ny mpakafy ny kolontsaina malagasy ny zoma 22 Ôktôbra 2021 lasa teo.

Hetsika tsy dia fahita firy no nasehon'izy ireo, satria raha literatiora no seho mahazatra entina ao amin'ny tranombokim-pirenena, dia haiady malagasy antsoina hoe "DIAMANGA" no natrehina tao. Voalaza fa mifanindran-dalana tsara amin'ny soatoavina malagasy izy io. Nisy ihany koa ny resadresaka nataon-dRatovo Valiha momba ny tantaran'izany valiha izany teto Madagasikara, ary narahany fampisehoana ny talentany. Naseho tao anatin'ny hetsika ny tantara an'onjam-peo mivantana, izay nolalaovin'i Lofika, Mbolaranto, Sahondra ary Dodhi", tantara mahatsikaiky nampitondrainy ny lohateny "Ho Hendry amin'izay".

Ity hetsika ity moa dia teo Ambany fiahian'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, ary ny Federasiona Miahy ny Teny sy ny Soratra (FMTS). Na dia naharitra ora telo ny seho dia tsy nampamonamonaina ny mpijery satria talenta maro loko no nianohana. Nanaitaitra ny mpijery ny fanentanana nataon'i Voahangy sy Dodhi Rakotomalala ka nampifantoka ny rehetra.
Mirary folo taona hitsingerina ho an'ny Dian-tanamasoandro ny Pôetawebs, mirosoa hasina hatrany!










© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja