Tafan'ny pôeta tao amin'ny Tsenaben'ny boky
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
13 Nôvambra 2021
Tatitra : Felana Radoniaina
TSENABEN'NY BOKY : TAFA TAMIN'NY PÔETA
Resadresaka tamin'ny mpanoratra no namaranana ny tsenaben'ny boky ny marainan'ny 13 Nôvambra 2021. I Riambola Mitia no nandrindra ny resaka nifanaovana tamin'ny pôeta 4 mianadahy: Zara Ainga, Hobiana, Heriarilala ary Nirihaja.

Nampahafantarin'i Hobiana nandritra ny dinika ireo dingana telo izoran'ny olona iray alohan'ny hanoratana:
1) aingam-panahy
2) talenta izay mila kolokoloina
3) fianarana ny teknika literera izay azo amin'ny alalan'ny takalo na serasera amin'ny mpanoratra na fikarohana ihany koa.
 
I Heriarilala sy Nirihaja indray dia samy namosaka ny ilana ny fitiavana asasoratra mihitsy ankoatra ny zavatra hafa rehetra. Nohamafisin'i Heriarilala fa mitaky ezaka ny fanatsarana asasoratra:  mijery rakibolana,  mampiasa voambolana vaovao...

Nanambara i Zara Ainga fa tamin'ny 2015 izy no nanomboka nanoratra. Misy amin'ny asa soratra ataony no mahakasika ny zavatra niainana mihitsy ka narafitra.  Manangona trangam-piainana eny rehetra eny koa izy. Anisan'ny asasoratra fanaony ny tononkalo miendrika fitantarana.

Marihina fa efa samy namoaka boky avokoa izy efatra mianadahy.

Namarana ny anjara fitenenana i Njaka Raonison, Tale Jeneralin'ny Tranombokim-pirenena, ho fisaorana azy efatra mianadahy sy ny mpandray anjara rehetra tamin'ny tsenaben'ny boky.


Miankavanana :
Njaka Raonison, Zara Ainga, Hobiana, Heriarilala, Nirihaja, Riambola Mitia (mitsangana)

© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 14/11/2021

×