Créer un site internet
Fanjanahan-tsaina tao amin'ny Tsenaben'ny boky
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
14 Nôvambra 2021
Tatitra : Vetson'ny Fanahy
FANJANAHAN-TSAINA
— Ny Iraka Rambolamanana —

Niaka-tsehatra tetsy amin’ny tokotaniben’ny Tranombokim-pirenena Anosy ny pôeta Ny Iraka Rambolamanana, ny alarobia 10 Nôvambra 2021 lasa teo, nitondra ny boky "FANJANAHAN-TSAINA". Nifanindran-dalana tamin’ny tsenaben’ny boky ity hetsika famoaham-boky ity.

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny boky faha-12 nosoratan’Ny Iraka Rambolama- nana. Dimy amby roapolo taona nanoratana ny lehilahy, dimy amby roapolo taona nitolomana tanatin'ny soratra. Tsy mitsahatra ny fanapariahana ny haren-tsaina ataony, fa dia natolony ny Malagasy ny boky tononkalo "Fanjanahan-tsaina", mirakitra tononkalom-pitolomana sy hiaka ho fiantsoana ny Malagasy hitodika indray hisaina ny momba azy. Rehefa afaka ny fanjanahan-tany, dia mila hialana ihany koa ny "Fanjanahan-tsaina" hoy ny mpanoratra.

Tsy diso anjara ireo mpanatrika maro be, fa notolorana ny tsangan-tononkalo, izay ampahany ao anatin’ity boky vaovao ity. Tononkalo iray manamarika ity boky ity ny “Bado”, izay efa nampanandraman-tsira ny mpakafy tamin’ny famoahana ny boky “Tsangam-bato” iray volana lasa izay.

Hetsika niavaka tokoa ity famoaham-bokin’Ny Iraka Rambolamanana ity. Teo ihany koa ny nanaovana azy an-tokotany, ka mety ho anton'ny fahamaroan’ny olona nanatrika. Nanongilan-tsofina mantsy ireo mpitsidika rehetra tao amin’ny tsenaben’ny boky, ka nankafy ny tsangan-tononkalo nataon’ireo mpisehatra.

Nandravaka sy nanome hasina ny seho ihany koa, ilay andrarezin’ny vazo miteny “Belahy”, izay nampisy tsirony ny fampisehoana. Raha atao indray mijery ny hira nataony dia tsy mifanalavitra amin'ny tononkalo nentin’Ny Iraka Rambolamanana sy ny ekipany, satria dia hiram-pitolomana ny ankamaroan’ny hira nentiny, toy ny “2013”.

Tonga nanome voninahitra ny seho ny mpampiantrano, ny solotenan’ny Tranombokim-pirenena, ary tsy hadinon’ Ny Iraka Rambolamanana ny nanolotra boky ho tahiry mipetraka ao amin’ity toerana ity.

Naharitra ora iray sy sasany teo ny fotoana, izay nahafa-po ny mpanatrika. Nalai-nisaraka ny roa tonta satria mbola liana ny mpanatrika, voafetra koa anefa ny fotoana.

Mirary soa sy fahombiazana ho an’Ny Iraka Rambolamanana amin’ny fanapariahana ny tononkalom-pitolomana sy ny anatra ho an’ny mpiray tanindrazana ny Pôetawebs.


© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 14/11/2021

×