MAMERINA NY HASIN'NY PÔETA NY PÔETAWEBS
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
05 Desambra 2021
Tatitra : Toetra Ràja
MAMERINA NY HASIN'NY PÔETA NY PÔETAWEBS
Nisongadina teny amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy tamin'ny 17 Nôvambra teo ny fiverenan'ny hasin'ny pôeta ao am-pon'ny Malagasy. Voaporofon'ny Pôetawebs fa tsy raharahan-tokantranon'ny pôeta irery intsony ny pôezia fa mivelatra eo anivon'ny seha-pahalalana sy ny seha-javakanto.
Sorapiainan'ny pôeta Randja Zanamihoatra sy tapatapakahitra tamin'ny pôeta RHA Nary no nifantohan'ny mpijery nameno trano nandritra ny adin'ny iray sy sasany mahery. Nanovo fahalalana izy ireo araka izany. Teo aloha ny fintina nataon'i Tsikimilamina Rakotomavo, mpandrindra ny Pôetawebs, ny sorapiainana efa nivoaka tao amin'ny tranonkala. Nanohy izany, ny avy tao amin'ny Laboratoaran'ny oniversite an'Antananarivo, nitanisa ireo voka-pikarohana efa natao momba an-dRandja Zanamihoatra, na ny teto an-toerana, na hatrany amin'ny INALCO Parisy, toerana tokana eto ambonin'ny tany ampianarana ny teny malagasy eny amina anjerimanontolo ivelan'i Madagasikara. Nanampy ireo koa i Nobel Randriamananjara, zanak'i Randja Zanamihoatra, araka ny tena niainany ny androny niaraka tamin-drainy. Teo amin'ny tapatapakahitra indray dia i RHA Nary tenany no nanazava ny fomba niainany ny literatiora tamin'ny alalan'ny resaka mivantana nifanaovany tamin'i Vetson'ny Fanahy (Pôetawebs). Tetsy andaniny ny jery tamberin'i Tsarafara (Rajao) momba ny fifandraisany tamin'i RHA Nary nandritra ny 30 taona, niampy ny famaritany manokana ny maha andrarezin'ny pôezia an'io namany akaiky io.

Voky fahalalana ireo mpijery satria fanazavana mari-pototra sy tsy fahita no noraisin'izy ireo. Nanelanelana izany fanovozam-pahalalana izany ny fianohana fialam-boly. Tao aloha ny nivetsoan'ny tarika Trandraka Talenta ny hiran'i Bodo sy Landy amin'ny maha i RHA Nary tompon'ny tononkira. Io tarika io ihany koa no namelona ho tsangan-tononkalo ny "Malagasy mankany", sanganasan'i Randja Zanamihoatra. Niantsa tononkalo i RHA Nary sy ny taranak'i Randja Zanamihoatra. Ary ny namaranana azy dia ny piesy teatraly mahatsikaiky noforonin'i RHA Nary manokana holalaovin'i Tsarafara irery teny an-tsehatra tamin'io fotoana io. Tsy mbola nivoaka izy io araka izany hany ka norarana tsy hanao fandraisam-peo sy sary ny mpijery, fa hianoka tsara ny seho eny am-pitoerana.


Nobel Randriamananjara teo amin'ny sorapiainana

RHA Nary miantsa tononkalo

... porofon'ny 30 taona nifaneraserana

Tsarafara teo amin'ny seho teatraly
Tarika Trandraka Talenta
mikalo ny tononkiran'i RHA Nary


Teo amin'ny Sorapiainana. Miankavanana:
Nobel Randriamananjara, Tsikimilamina Rakotomavo, Vetson'ny Fanahy


Trandraka Talenta mitendry sy mihira
Miankavia: Vetson'ny Fanahy, Tsikimilamina Rakotomavo, RHA Nary, Felana Radoniaina, Tsarafara
© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 05/12/2021

×