Zaha
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
02 Janoary 2022
Tatitra : Vetson'ny Fanahy
ZAHA
HETSIKY NY VEHIVAVIN'NY FANILON'I MADAGASIKARA

Nanokatra ny sehatra ara-kolontsaina tetsy amin’ny tranombokim-pirenena Anosy tamin’iny volana desambra iny ny seho nentin’ireo vehivavy fanilon’i Madagasikara. Ny sabotsy 11 desambra 2021 no tanteraka izany ka nahitana an’i Lolly, Becla, Arlisoa, Lalaina, Yasminah ary Di’Art Tsifoina, teo amin’ny fiantsana tononkalo.

Seho niavaka no nentin’ireto vehivavin’ny kanto ireto. Ankoatran'ny pôezia, slam ary ny dihy sy ny hira mantsy dia niteny ny sehatra, izay voaravaka tamin’ireo karazana haingo maro samihafa. Sady sakafon’ny maso izany no nitondra ny saina hifantoka tamin’ny seho teny an-tsehatra.

ZAHA, nitondra ny olona hizaha, fa foha talenta kosa ho an’ny hafa, fanehoana an-tsehatra ny talenta tany anaty ho an’ireo mpisehatra.

Nitondra ny hafatry ny zavaboahary izy ireo, ary nampiseho fa manana ny maha izy azy ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny kanto malagasy. Fampifandraisana ny kolontsaina malagasy sy ny kolontsaina skotisma no isan’ny nanosika ireto tovovavy ireto hampizaha.

Nampita hafatra ho an’ireo skoto namany ireto farany ho tia ny tanindrazany sy ny tenindrazany. Manabe sy mamolavola ny ankizy hisehatra amin’ny kolontsaina malagasy sy ho tia vaky boky, mivelatra sy mifandray amin’ireo mpisehatra ara-kolontsaina rehetra ry zareo.

Nitondra ny teny fisaorana manokana ho an’ny Pôetawebs i Di’art Tsifoina niara-nisalahy tamin’ny serasera. Tsy hijanona hatreo anefa ry zareo, raha araka ny voalazany hatrany, fa mbola hizaha hatrany.

Afa-po ny mpanatrika, izay tonga maro nanotrona sy nanome voninahitra ny seho. Nifampizaha ny mpisehatra sy ny mpankafy.


© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 02/01/2022