Dox_100_antsirabe

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

29 Aprily 2015


HAVATSA-UPEM - 10 taona, RNS 2015 VICHY - 40 taona

Toy ny fanaony isan-taona, ny HAVATSA UPEM sampana Frantsa dia nandray anjara tamin'ny RNS (Rencontre Nationale Sportive) 2015 izay natao tany Vichy tamin'ny 4, 5 ary 6 aprily teo. Nisolo tena ny mpikamban'ny Havatsa foibe i Di… na Henri Rahaingoson, filoha am-boninahitry ny Havatsa-UPEM Foibe sy i Dédé Sorajavona ; hita teo an-toerana koa Rainibemirindra. Amin'ireo sampana Frantsa indray no nahitana an'i Hanitr'Ony filohany, MRG, Irène Randrianarisoa-Rasendra, Antsiva, Andry Salomon, Toetra Raja, Andamioly, Tsimaito ary Abel Andriarimalala. Tsy hohadinoina ny manonona ny Sakaizan'ny Havatsa manohana hatrany Raivo Patricia, Salomon sy Hugues R.

 Tranoheva

Nanana ny tranohevany tao ambohitra ny HAVATSA-UPEM, laharana faha-21 Ivohibe-Ihorombe, izay nampirantiana boky sy sary hosodoko. Ankoatra ireo boky iombonan'ny sampana Frantsa ("Santa-bokatra" sy "Mirazotra") dia hita tao koa ny "Tatamo manokana" sy ny "Havatsa notsongaina" niarahana tamin'ny mpikamban'ny Havatsa rehetra maneran-tany. Nisy ny boky naranty hovakina, nosoratana mpanoratra kalaza maro (J.J. Rabearivelo, Dox, RADO, I.P.Andriamangatiana, G.R.G, Michèle Rakotoson, sns…) azo navadibadika sy nahaliana olona maro izay tahirin’ny tranombokin’ny fikambanana. Tao koa ny bokin'i Abel Andriarimalala izay novokarin’ny Sampana Frantsa. Voalahatra teny an-databatra koa ny bokin'ny mpikambana toa ny an'i DadaRabe (boky roa vaovao), Nivohanta (Irène Rasendra), F.-X. Mahah, Fredy Jaofera, Hanitr'Ony, Antsiva, ary ny mpanoratra ankehitriny toa an’i Ny Eja... Mbola namidy teo rahateo ny tisaorita faha-10 taonan’ny Havatsa-Upem Sampana Frantsa, ahatsiarovana ny niforonany (2004) sy ny nandraisana azy tamin’ny fomba ofisialy (2005), folo taona lasa izay.

Ny sary hosodokon'i Irène Rasendra no nandravaka ny rindrin'ny tranoheva. Rehefa nifarimbona nanokatra sy nanaingo azy ny mpikambana teo dia niandraikitra ny tranoheva tamin'izay ny Pôeta Antsiva sy Irène Nivohanta Rasendra.

Ao anatin'ireo nitsidika ny tranoheva dia tsongaina eto ny fandalovan'ny Mpiandraiki-draharahan'i Madagasikara ao amin'ny UNESCO, Andriamanjato Ny Toky mivady, izay nitafatafa tamin'ireo mpikambana Havatsa. Teo koa ny haino aman-jery malagasy sy ny Talen’ny Diaspora nandalo tao amin’ny RNS.

Soratononina

 Ny sabotsy tolakandro nanomboka tamin'ny 2 ora sy sasany no nanatanterahan'ny fikambanana KOLO ny fifaninanana soratononina izay nahitana ny HAVATSA nanolo-tanana. Anisan'ireo nanolotra loka fanomezana ho an'ny mpandresy ny HAVATSA sampana Frantsa izay nahitana an'i Hanitr'Ony ary notronin'i MRG sy Toetra Ràja ary Andry Salomon. Hita tao an'efitrano fifaninanana koa i Raivo Patricia sakaizan'ny fikambanana.

Antsa tononkalo

 Ny harivan'io sabotsy io ihany dia mbola niantsa tononkalo teny an-dampihazo (podium) ny HAVATSA-UPEM nandritra ny 40 minitra teo ho eo. Namaky lay ny antsa i Hanitr'Ony tamin'ilay tononkalon’Ny Avana Ramanantoanina hoe "Tsarovy". I Toetra Ràja kosa dia nisafidy ny asasorany mitondra ny lohateny hoe « Lokiloky » sy ny "Atataovy" an'i Dox. I Andry Salomon no niantsa ny "Ilay fasako faharoa" an'i J.J. Rabearivelo. Niantsa ny tononkalony « Ireo tsy hisy » i MRG ankoatra « Ny Tanàna fahagola » an’i Dox, ary namaky Anganon'ny Ntaolo.
 Nisy moa ireo tononkalo nantsaina niaraka toy ny "Ombin-tsarety sy ny olona", tononkalo diso fantatry ny ankizy any an-tsekoly nosoratan'i Joséphine Ranirina, nifarimbonan’i Hanitr'Ony sy Toetra Ràja. Natolotra teo ihany koa ny dikany amin'ny teny frantsay, noforonin'i Antsiva. Ary nofaranana tamin’ny "Malagasy mankany", an'i Randza Zanamihoatra, izay niangalian'i Hanitr'Ony sy MRG ary i Toetra Ràja, ny fotoana.

 Farany, tsy diso anjara ny ankizy tamin'io fotoana io fa afaka nianoka angano notantarain'i Hanitr'Ony ho azy ireo.

PV Poezia

Nisy koa ny sakan-dalana teny ho eny, na dia nahalana aza noho ny toetr’andro, nanontaniana anao momba ny poezia sy niresahana tononkalo. Mba nivimbina fahatsiarovana nody sy kalokalo angamba izay sendra izany. Misy moa naka teo am-potony mihitsy, ary avy eo dia nanolotra ny anjara birikiny nankaherezana ny fikambanana. Misaotra indrindra azy ireny.


Haza haren-tsaina (Chasse au trésor)

 Nahomby ny fanentanana sy ny kilalao "Haza haren-tsaina" teo amin'ny tranoheva faha-21 ny alahady tolakandro izay nahasarika olona maro. Isan’ny hetsika vaovao nokarakarain’ny HAVATSA-UPEM ity lalao ity izay miainga avy amin’ilay hoe « Chasse au Trésor », saingy miompana manontolo amin’ny kolontsaina malagasy sy ny fahalalana ankapobeny momba an’i Madagasikara ny Lalao. Fianakaviana iraikambinifolo (11) no nisoratra anarana hilalao, mamaly ireo fanontaniana izay napetraka taminy ary mitady fampahafantarana (indice) manokana hahazoana isa fanampiny (bonus). Niompana betsaka tamin’ny haisoratra ny fanontaniana tamin’ity voalohany ity noho ny fanentanana ny tanora sy ny ankizy ary ny ray aman-dreny hamantatra ny haren-tsaintsika Malagasy. Tsapa ho nahomby moa izany ary nahazo isa tsara avokoa ireo nilalao, afa-po izy ireo, samy nahazo loka, saingy nahazo fanomezana amboniny ny 3 voalohany, izay ireto avy izany :

1/ Fianakaviana ANDRIAMBOLOLONIVO (isa 66)

2/ Fianakaviana RAKOTOSON (isa 56)

3/ Fianakaviana RAKOTOMALALA Jocelyne (isa 52)

Nifanaretsaka ireo mpandray anjara nikaroka ny valim-panontaniana teo ambohitra sy namaky ny boky teo amin’ny tranohevan’ny Havatsa-Upem, nafana ny resaky ny zanaka sy ny raiamandreny, hadiny iray ihany tokoa mantsy no fetra nananan’izy ireo hahitana ny valin’ny fanontaniana rehetra, izay no fepetran’ny Lalao. Saingy nahafatra-po fa tena nikaroka ary tsy nisy nitsirika ny aterineto tamin’ny finday izy ireo fa nitady tamin’ny herin’ny tenany daholo.

Fisaorana mitafotafo no atolotra ny mpilalao, ny mpanolotra loka (RNS, Havatsa-Upem Sampana Frantsa, Hanitr’Ony, Fredy Jaofera, Raivo Patricia Salomon ary Ramy Laza), ny CEN mpikarakara ny RNS manome sehatra ho an’ny Kolontsaina, sy toerana hahafahan’ny fikambanana sy ny vahoaka mifandray.

Izay aloha no masaka fa dia antenaina ho nahafatra-po ny rehetra ; raha toa mamy toy ny fary ka nisy fiakany, mba ataovy toy ny mangahazo mangidy malemy e, hano amin’ny lemim-panahiny ! Amin’ny herin-taona indray no fotoanantsika, raha sitraky Ny Avo ô !


Tatitra : HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa
Sary : Raivo Patricia

 

Tonga soa eto amin'ny village de Madagascar Ny Havatsa, teo ampanomanana ny antsa tononkalo
   
Nafana ny ady hevitra nandritra ny fanitsiana ny soratononina
   
Ny Havatsa (Andry Salomon, Toetra Ràja, MRG, Hanitr'Ony) teo ankavanan'ny fikambanana KOLO ahitana an'i Idealy Andriamanjato sy Mamy Andrianarivony Ny Mpakasary Menakely Menabe, niaraka tamin'ny Havatsa
   
Nandalo teny amin'ny tranoheva Ny Toky Andriamanjato mivady. Mpifanerasera amin'ny Havatsa izy ireo ary voaasa hatrany amin'ny hetsika ataon'ny fikambanana. Na dia fohy aza ny fihaonana dia tsy nanakana ny tafatafa sy ny tatasiaka izany...
   
...tatasiaka ihany - Rtoa Ny Toky Andriamanjato sy Hanitr'Ony ...tatasiaka hatrany - Ny Toky Andriamanjato sy Toetra Ràja
   
"Tsarovy fa fihodinkodinana no didy mitondra ny tany", tononkalon'Ny Avana Ramanantoanina, nantsain'i Hanitr'Ony I MRG eto no niangola ny tononkalony hoe "Ireo tsy hisy",
notronon'i Toetra Ràja akaiky
   
"Ilay fasako, fasako ihany, fa ny foko dia fasako koa"
hoy i J.J. Rabearivelo, novelomin'i Andry Salomon
Teto indray ilay hoe "Atataovy aho ray olona fa mavesatra ny anjarako..." an'i Dox, noredonin'i Toetra Ràja
   
Hanitr'Ony mitantara angano ho an'ny ankizy Toetra Ràja miantsa ny tononkalony "Lokiloky"
Narahan'ny mozika malefaky Dédé Sorajavona tamin'ny farara
   
MRG sy i Toetra Ràja teo ampiandrasana ny antsa Hanitr'Ony sy Toetra Ràja nifarimbona niantsa ny "Ombin-tsarety sy ny olona"
tononkalon'i Josephine Ranirina
   
MRG eo ampamakiana ny Anganon'ny Ntaolo Ireo nandray anjara tamin'ny antsa tononkalo : Toetra Ràja, Hanitr'Ony, MRG, Andry Salomon ary Dédé Sorajavona
   

Teny amin'ny tranoheva ny alahady mialoha ny lalao "Haza haren-tsaina" Sary ankavanana ary miankavanana : Hugues Rama, Andry Salomon, Raivo Patricia, DI, Hanitr'Ony ary MRG. Sary ankavia ary miankavanana : Tsimaito, Dédé Sorajavona, Hanitr'Ony ary MRG.

   
Nisy ny fizaran-doka ho an'ireo nandray anjara
   

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021

×