Zarafanahy XI
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
30 Marsa 2022
Tatitra : Vetson'ny Fanahy
ZARAFANAHY XI
Volana martsa, Iray volan’ny pôezia, tsy diso anjara ny Faribolana Sandratra fa dia nankalaza izany. Maro ny hetsika nataony isam-paritra ho fanamarihana izany, isan’izany ny ZARAFANAHY XI.

Notanterahina tao amin’ny Custom Café Ampasamadinika ny hetsika fanao isan-taona ho famaranana ny Iray volan’ny pôezia ka ny sabotsy 26 martsa 2022 no nosafidiny nanatontosana izany. Araka ny mahazatra dia ny Faribolana Sandratra no nikarakara ity hetsika ara-kolotoraly ity, ka nanasany ireo mpanoratra hafa, anatiny na tsy anatin’ny fikambanana. Niisa 11 izy ireo no nifarimbona nanamasina izany, nisy ny mpanoratra avy amin’ny Faribolana Sandratra, ny Havatsa Upem, ny Mpizaka Stelarim, Slam-poésie, Soa mahatsangy. Raha tao amin’ny CGM Analakely ny fanaovana ny Zarafanahy isan-taona, azo lazaina fa niavaka izany ity andiany faha-XI ity, noho izy natao ivelan’ny sehatra mahazatra.

Ankoatra ny fiantsana tononkalo sy fanaovana slam dia nisy ihany koa ny seho hafa nentin’ny tarika Fahanala. Tonga namelona ny Zarafanahy XI i Niry-Solosoa, izay vy nahitana sy andry nijoroan’ny Faribolana sandratra niaraka tamin’i Elie Rajaonarison sy mpanoratra vitsivitsy. Nanambara izy raha nahita ireo zandriny nitondra ny aingany, fa tsy maty ny literatiora malagasy.

Nisy ny lalan-tsaina nitondrana sy niaingan’ity Zarafanahy ity hoy ny mpikarakara. Ny Faribolana Sandratra dia misokatra amin’ireo fikambanana hafa sy ny mpanoratra ivelan’ny fikambanana. Ho fanaporofoana an’izany dia nokarakaraina ny hetsika takalo kalo, izay nanasana fikambanana hafa toy ny mpizaka stelarim. Nivoatra izy io ka nanjary lasa Zarafanahy taty aoriana. Ny tanjona dia ny hifampizarana sy fifanakalozana, fanandratana ireo mpanoratra tsy mbola fantatr’olona koa kanefa manana ny maha izy azy, fiarahana anaty tontolo mitovy na tsia.

Noraiketina ho boky ireo tononkalo sy slam nentin’ireo mpizarafanahy, ka nisy ny fanehoana izany teny an-tsehatra.

Tsy nifarana teo ihany anefa ny ZARAFANAHY XI, fa toy ny fanao isan-taona dia nisy ny alimbetso. Tany Ampitatafika fonenan'ny iray amin'ireo mpiraifaribolana no notanterahana izany tamin'io alina io. Ny tanjona dia ny hahafahan’ireo nanatrika miantsa ny tononkalony ankoatra ireo mpizarafanahy. Io ihany koa no natao ho fanakatonana ny Iray volan’ny pôezia.


Valiha Gasy
Faribolana Sandratra Manjakandriana

Valeha Oscar
L'As Coeur
Slam Poésie

Rindra Goherti
Racl Joseclaudio

Art Tefy Jhoany

Santatra Ramarozaka
Faribolana Sandratra Anjeva Gara

Riva
Faribolana Sandratra Antananarivo

Heriarilala Andriamamonjy
Havàtsa-Upem
Na Hassi
Perla Soa
Soa Mahatsangy

Ditra Ratsihoaranarivo



© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 30/03/2022