Créer un site internet
AKON'NY PELASOA
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
19 Jona 2022
Lahatsoratra : Pôetawebs
AKON'NY PELASOA

T
ontosa ny alarobia 15 Jona lasa teo tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ny famoahana ny boky PELASOA. “Amboara an-tsoratra maneho ny herin-tsaina sy herim-panahin’ny vehivavy tsy te hikoso-maso manoloana ny zava-misy” hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo ao amin’ny teny fanolorany.

Ampela 4 samy manana ny mampiavaka azy no nanoratra ity boky ity dia i Hiaka, Ny Tsiaro, Ramatoakely Ivo’Art ary i Heriarilala Andriamamonjy. Taratra tamin’ny haingo sy ravaky ny efitrano Dox fa andriambavilanitra no tompon’ny hetsika. Nirentirenty tery anoloana ny soratra Pelasoa. Nanakoako tao an’efitrano ny fanoherana ny herisetra atao amin’ny vehivavy, ny ezaka hampioitra ny vehivavy ary ny fitiavan-tanindrazana. Nisy ihany ny andriandahitany izay nindramina hamelona ny sombintantara mitondra ny lohateny hoe “tsontsa” dia i Fanojo Arivelo avy amin’ny MPIZAKA Stelarim. Voarakitra ao anatin’ny Pelasoa ity “tsontsa” ity izay milaza fa ny hadisoana tsy nahy dia mety hahatonga fahavoazana goavam-be, mety hamotika ny firenena sy ny tanindrazana mihitsy.

Noravahana hira ny fotoana ka anisan’ny nanome fahafaham-po ny mpijery i Diamondra Lohianne, Mi’Mozi, Look Iray. Liantsoa kosa no nanentana ary i Sunny Razakamanana no nanampy tamin’ny fandrindrana.

Pôetawebs







© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 19/06/2022