Créer un site internet
Tononkalom-pitoloha-3
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
19 Jona 2022
Lahatsoratra : Heriarilala Andriamamonjy
TONONKALOM-PITOLOHA-3

T
ontosa ny sabotsy 18 Jona lasa teo tetsy amin’ny Tranomboky Siméon Rajaona Antsahabe ny hetsika tononkalom-pitoloha andiany faha-3. Hetsika nentina nankalaza ny Iray volan’ny teny malagasy izay teo ambany fiandraiketan’i Hobiana Andrianimerina. Pôeta sivy mianadahy no nandray anjara tamin’izany dia i Heriarilala Andriamamonjy, Felamboahangy, Bila, Fanojo Arivelo, Racl Joséclaudio, Ny Aiko Razafimanantsoa, Nameno Fidimiandry, Ny Manitra ary Valiha Gasy.

Nanombohana ny seho ny fiantsana ny tononkalo faneva izay tononkalo nahazo ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana manoratra tononkalo mikasika ny Profesora Siméon Rajaona. Tononkalo nosoratan’i Hobiana Andrianimerina izay milaza fa mpampianatra nanao ny ainy tsy ho zavatra ho an’ny teny teny malagasy i Siméon Rajaona.

Nianoka tononkalo maneho fitiavan-tanindrazana, fitiavan-tenin-drazana, soatoavina malagasy ary fitia gasigasy ny mpankafy haisoratra tamin’io sabotsy maraina io. Samy manana ny maha izy azy avokoa ireo pôeta tsirairay ireo ka izay no anisan’ny nahakanto ny seho.

Hetsika novolavolain’ny sakaizan’ny tranomboky ny Tononkalom-pitoloha, natao hankalazana daty manan-tantara iray izay azo marihina amin’ny alalan’ny haisoratra. Nisantarana izany tamin’ny volana Marsa 2022 ny Iray volan’ny pôezia ary tamin’ny volana Avrily 2022 kosa ny andiany faharoa izay fotoana nankalazana ny andron’ny zon’ny mpamorona sy ny boky. Azo antoka izany fa mbola hitohy foana ny Tononkalom-pitoloha ary miova isaky ny andiany ireo mpiantsa.

Heriarilala Andriamamonjy


Miankavanana : Fanojo Arivelo, Valiha Gasy, Ny Manitra, Bila, Nameno Fidimiandry, Felamboahangy, Heriarilala Andriamamonjy, Ny Aiko Razafimanantsoa, Hobiana Andrianimerina, Racl Joséclaudio


Heriarilala Andriamamonjy


Ny Aiko Razafimanantsoa

Valiha Gasy


Ny Manitra

Fanojo Arivelo


Felamboahangy

Bila


Nameno Fidimiandry

Racl Joséclaudio

© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 19/06/2022