Créer un site internet
IVTM Mandialaza Moramanga
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
28 Jona 2022
Lahatsoratra : Felana Radoniaina
Sekoly ELI LGU Mandialaza Moramanga
Nankalaza ny Iray Volan'ny Teny Malagasy


Notontosaina ny 24 Jona maraina teo ny lanonana fankalazana ny Iray Volan'ny Teny Malagasy tao amin'ny sekoly fianarana teny Anglisy ELI LGU (English Language Institute-Laulanier Green University) tao Mandialaza Moramanga.

Fianarana teny Anglisy nefa mametraka ny lanjan'ny tenin-dReny. Nasongadin'i Mr Hamon izay nanangana ity sekoly ity efa ho 30 taona lasa izay nandritra ny kabary tamin'ny teny Malagasy izay nataony fa fanimbazimbana ny maha Malagasy ny fanariana ny tenin-dReny noho ny fianarana tenim-pirenena hafa. Nindraminy tamin'izany ilay teny filamatry ny pôeta Di... hoe: "andrianiko ny teniko, ny an'ny hafa koa feheziko".

Manana talenta amin'ny fanoratana tononkalo ireo mpanabe ka samy niantsa izany. Ireto ny santionany tamin'ny tononkalo nantsaina tao: Ny teniko (Rhony), Ny tenindrazako (Felana Radoniaina), Malagasy Aho (Felana Radoniaina). Nindramina ihany koa ny tononkalo nosoratan'i Bitsiky ny Fanah "An'iza i Gasikara" sy ny an'i Ela Nihetezana "Ny tany sy ny teny". Nolalaovin'ireo mpianatra tao amin'ny ELI LGU koa ny tononkalo nosoratan'i Randja Zanamihoatra "Malagasy mankany".

Nofaranana tamin'ny dihy "Samy Malagasy" izany lanonana izany. Tsy sakana ny fianarana tenim-pirenena hafa, tsy sakana ho an'ny fanajana sy ny fifehezana ny tenin-dReny.



Mpianatra andiany iray miaraka amin'ny mpanabe sy Atoa Hamon, nanangana ny ELI - LGU


Atoa Rhony niantsa ny tononkalo "Ny teniko"


Atoa Hamon Randriamahary teo am-pikabariana
Mpianatra nampiaina an-tsehatra ny "Malagasy mankany":
vehivavy zokinjokiny sy rangahy efa nahazo taona


© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 28/06/2022