IVTM Betafo Faribolana Sandratra
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
02 Jolay 2022
Lahatsoratra : Faniry Ezeckiel
Iray Volan'ny Teny Malagasy
Faribolana Sandratra Betafo


26 Jona, andron'ny fetim-pirenena, no nifamotoanan'ny Faribolana Sandratra Betafo sy ny Radio Energie tamin'ny mponina tao an-toerana ho fanehoana an-tsehatra ny "ANTSA HO AN'NY FIRENEKO", izay nentina indrindra nanamarihana ny Iray Volan'ny Teny Malagasy sy ny asaramanitra. Natao tao amin'ny Alliance Française Antsirabe ny lanonana ary nanomboka tamin'ny roa ora tolakandro.

Tonga nanome voninahitra io fotoana io ny lehiben'ny sampandraharahan'ny Kolontsaina tao Vakinankatra, Atoa Serge RAKOTOSOLOFO sy ny mpiraifaribolana avy any Antananarivo Ny Iraka RAMBOLAMANANA. Nitsara ny fifaninana tononkalo rahateo koa izy ireo, nampian'i Solomon RAKOTONIRINA. Nanatrika iny hetsika ny solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao Antsirabe II sady Filoha Tale Jeneran'ny Radio Energie ary filoha mpanorina ny Elgeco Plus, Atoa Alfred RANDRIAMANAMPISOA (sary eo ankavia).

Nandray fitenenana voalohany sady nanokatra ny fotoana Andriamatoa solombavambahoaka. Taorian'izay, natolotra tamin'ny fomba manokana ny boky EMBOKA AMBONDROMBE izay novolain'ireo pôeta avy ao amin'ny Faribolana Sandratra Betafo ka Ny Iraka RAMBOLAMANANA no namaky ny teny fanolorana izay nosoratany. Rehefa vita ny fanolorana ny boky dia nirosoana ny fifaninanana tononkalo nifototra tamin'ny fitiavan-tanindrazana. Efapolo no isan'ireo mpandray anjara izay samy niantsa ny sanganasany ary nelanelanin'ny fiantsana tononkalo nataon'ny Faribolana Sandratra Betafo. Teo koa ireo olona jamba nanana talenta tamin'ny sehatry ny mozika. Tiana ny manamarika fa ny dimy voalohany tamin'ireo mpifaninana no nahazo fanomezana. Nibata ny fandresena tamin'izany i Aingan'ny Ala. Naharitra adin'ny telo sy sasany teo ho eo izany rehetra izany.

Raha efa izany dia niroso tamin'ny Afonangatra, fialana vizana tao amin'ny Dobo Art nahitana antsa tononkalo anaty faribolana manododina ny afon-kitay niharo fialana hetaheta naharitra mandra-maraina. Azo lazaina ho fahombiazana iny hetsika voalohany nataon'ireo Mpiraifaribolana sampana Betafo iny, taorian'ny nijoroany ny 30 Marsa lasa teo. Feno hipoka mantsy ny efitrano ary tena navitrika ireo mpandray anjara. Raha atao bango tokana dia miroborobo ny literatiora malagasy aty amin'ny faritra Vakinankaratra.



Olom-panjakana niaraka tamin'ireo mpitsara sy ireo nahazo loka


Teo amin'ny Afonangatra


Ny Iraka Rambolamanana sy Faniry Ezeckiel, mialoha ny hetsika
Nahaliana ny mponin'i Vakinankaratra ity hetsika ity, tsy vitsy ireo nitsangana

Nianoka antsa tononkalo izy ireo teto

© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 02/07/2022