Hotantaraiko ve?
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
30 Aogositra 2022
Lahatsoratra : Faniry Ezeckiel

SEHO AN-TSEHATRY NY FARIBOLANA SANDRATRA BETAFO

Hampianoka antsa tononkalo ho an'ireo mpankafy ao amin'ny Dobo'Art Ampatana ny Faribolana Sandratra sampana Betafo ny sabotsy 03 Septambra 2022 ho avy izao, hanomboka amin'ny roa ora tolaka andro. Pôeta manodidina ny 10 eo ho eo no haneho ny sanganasany amin'io fotoana io. Hisy mpiraifaribolana avy amin'ny sampana hafa ihany koa hanatevina ity hetsika ity. VOLAMBITA  no anarana finidin'izy ireo hampisalorana ity seho an-tsehatra ity. Fiantsoan'ny Ntaolo fahiny ny volana an'elanelan'ny Septambra sy Oktobra eo ho eo ny Volambita.

Taorian'ny Antsa ho an'ny Fireneko sy ny Fanah'Ainga Lavitra dia seho an-tsehatra fanintelony hotontosaina tao anatin'izay dimy volana nijoroany izay ity VOLAMBITA ity. Tiana ny mampahatsiahy fa toerana efa nifampizarany aingampanahy ny Dobo'Art nandritra ny alin'ny 26 Jona 2022, niangaliana ny "Afonangatra", ka tsy vahiny loatra ho an'ireo mpilomano anaty soratra.

Araka izany, tsapa ho miroborobo ny sahan'ny literatiora any amin'ny faritra Vakinankaratra any.


© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja