Naredona ny Volambita
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
09 Septambra 2022
Lahatsoratra : Pôetawebs
NAREDONA NY VOLAMBITA

Nanaporofo ny fahaveloman'ny literatiora malagasy ny antsa tononkalo notanterahin'ny Faribolana Sandratra Betafo ny sabotsy 3 Septambra lasa teo tao amin'ny Dobo'Art Antsirabe. Nanomboka tamin'ny 2 ora tolaka andro ity hetsika antsoina hoe VOLAMBITA ity ary nifarana tamin'ny 5 ora hariva.

Ny tompon'andraikitra tao amin'ny Dobo'Art no nandray fitenenana voalohany izay naneho ny fitiavany manokana ny zava-kanto malagasy ka tsy nisalasalany tamin'ny fiaraha-miasa. Nitondra teny fankasitrahana ho an'ireo tompon'andraikitry ny toerana sy nanokatra ny fotoana tamin'ny fomba ofisialy i Faniry Ezeckiel, mpandrindra ny Faribolana Sandratra Betafo.

Nifandimby niantsa tononkalo ireo pôetan'ny mpiraifaribolana. Tao anatin'izany koa no niakaran'i Mister Kye, "Mentaliste", nampiseho ny fahaiza-manao sy ny talenta manokana nananany. Nanao feo lafika tamin'ny gitara kosa i Elsen, mpanakanto jamba manana talenta miavaka. Nanakatona ny fotoana ny lahatenin'i LAMZ, filohan'i FAAM (Fédération des Associations des Aveugles de Madagasikara) sady zoky mpiara-manodina ny Faribolana Sandratra Betafo, nisaotra ireo mpanatrika sy izay rehetra nampizotra an-tsakany sy an-davany iny fotoana iny.

Na dia nirava aza ny tao amin'ny Dobo'Art dia nitohy ny fihaonana nandritra ny fotoanan'ny AFONANGATRA izay niarahana niala hetaheta omban'ny antsa tononkalo teo am-pamindroana. Nanomboka tamin'ny 7 ora hariva mandra-maraina izany ary nafanain'ireo mpitononkalo maromaro. Marihina fa nanotrona ireo mpiraifaribolana avy amin'ny sampana toa an-dry Hajia Farany (Antananarivo), Tamberina (Tsiroanomandidy), Ras Varatra (Anjeva gara).

Afapo sy ravo ny mpivoy ny pôezia rehetra izay tonga nampiaina iny VOLAMBITA iny ary tsipalotra ny fankafizan'ny maro ny mpanankanto anaty soratra sy teny.




© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 09/09/2022