Créer un site internet

Dox_100_antsirabe

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

03 Mey 2015

 

VALAN-DRESAKA TAMIN'NY ROMBOM-PANAHY - 3 aprily 2015

Tamin'ny 3 aprily 2015 no notanterahana tao amin'ny OFNAC Analakely - Antananarivo ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety mahakasika ny sahobin-tononkalo niarahan'ny pôeta 25 nisalahy.

Ny OFNAC izay mpiahy ny hetsika ary nosoloin-dRamatoa Laure Rabarison, tale jeneraly, tena no nitarika ny dinika.

Ny tanjon'ity valan-dresaka ity dia fampahafantarana ny lalana nizoran'ny hetsika sy ny fandaharam-potoana izay nahavory mpanao gazety nandray anjara. Marihana fa nanao tatitra avokoa ireo mpanao gazety tonga namaly ny fanasana.

Singanina tamin'ireo fanontanian'izy ireo ny hoe :

- Hatraiza ny fiahian'ny OFNAC ny hetsika ary mbola vonona ny hanohana hatrany ve izy?
- Amin'ny maha tanora ny pôeta mandray anjara, mbola mitandro ny teny malagasy ve ianareo?

Naharitra ora iray teo ho eo ny dinika.

Taorian'ny fanapahana koba dia niroso tamin'ny fialana hetaheta ny rehetra.

Ramatoa Laure Rabarison, tale jeneralin'ny OFNAC, namaky lay ny dinika
 
Mamaly ny fanontanian'ireo mpanao gazety eo amin'ny latabatra (miankavanana) :
Meva Rakotonjanahary sy Ikaloyna Vony (samy tompon'andraikitra miaraka amin'i Rima tsy eo amin'ny sary) ary i Sunny Razakamanana (pôeta mpandray anjara)
 
Izy no RIMA, anisan'ireo Toko telo nahamasa-nahandro
 
Firosoana tamin'ny fanapahana ny koba sy fialana hetaheta
Eo anoloana : Elie Ramasindraibe Salomon sy Laure Rabarison
Tatitra : Toetra Ràja
Sary : Ikaloyna

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021