Créer un site internet
Dox_100_antsirabe

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

23 Mey 2015

ROMBOM-PANAHY : Antsa tononkalo tao amin'ny CEMDLAC - 8 aprily 2015

Taorian'ny Zarafanahy, ny Rombam-panahy indray no hetsika natao tao amin'ny CEMDLAC Analakely ny alarobia 8 aprily 2015 lasa teo.Nandray anjara tamin'izany ireo poeta malagasy 25 mianadahy vao misondrotra. Tao anatin'ny lohahevitra 3 no nandrafetana ny fotoana.

• ny fiainana andavanandro
• fitiavana
• vavaka sy tanindrazana.

Talohan'izany, i Meva no namaky ny sasinteny izay nosoratany rahateo.
Riambola kosa no namaky ny teny fanolorana izay nosoratan'i Rima.
Tononkalo nalaina tao amin'ny boky avokoa no nantsain'izy 25, izay mirakitra tantara kely rehefa natohy.

Noravahan'ny tendry malefaky Dadafara moa ny antsa rehetra ary nanelanelana ny fizarana kosa ny tarika Belahy sy Billy; raitra sy tena kanto e! Nihanoka tokoa ny rehetra. Nanakoako ny tehaka nataon'ny mpanotrona izay nameno tanteraka ny trano.

Nofaranana tamin'ny fizarana mari-pakasitrahana moa ny fotoana.

Tatitra : Claude Randriamanalina
Sary : Jery



Ny Eja - nanolotra
Riambola Mitia namaky ny teny fanolorana
sy Dafr nandravaka tamin'ny hira lafika


Vina
Sunny


Soratra Fanahy
Rima


Rary Mampionona
Randra


Ramihary
Ragasy


Penina
Noe Ranarinjato


Narilala Ravakinoro
Misa


Meva
Kens


Jery
Bade Raanrama


Diary
Elinivo


Ikaloyna
Fitia Asasaka


Tarika Billy

Belahy - mpihira

Tatitra sy sary : Ikaloyna

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021