Créer un site internet

   

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

28 febroary 2017

"ADOLANTSENTO" novelomin’ny Sampana Havàtsa-Upem Arivonimamo

Tontosa soa aman-tsara ny Alahady 26 febroary ny seho an-tsehatra « Andolantsento », tsangantononkalo nosoratan’i HOBIANA ary nolalaovin’ny SAMPANA Havàtsa Arivonimamo ho fisantarana ny faha-65 taon’ny Havàtsa sy ho fanohizana ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny Sampana.


Nanomboka tamin’ny 2.30 katroka ny fotoana. Nisantatra ny fitenenana ny Filohan’ny Sampana Havàtsa Arivonimamo RAVOROMBATO Ony Lantoarimamy. Nodimbiasan’ny Filoha am-boninahitry ny Havàtsa Iharilanto Patrick ANDRIAMANGATIANA izany amin’ny maha Mpanolotra ny boky "Adolantsento" azy.
Tao amin’ny Tranompokonolona Arivonimamo no nivalamparan’izany rehetra izany. Tonga nanome voninahitra araka izany ny Filoha am-boninahitra voalaza teo. Teo koa ireo Mpikambana Havàtsa izay notarihin-dRamatoa Filohan’ny Havàtsa-Upem Hajaina ANDRIANASOLO, nahitana an’i Dol’Aj (Filoha Lefitra), Jacynthe (Sekretera Jeneraly), Ramatoa RAMANAMBELINA Henriette na FaraH izay Talen’ny Ecole Normale Supérieure (ENS) rahateo ary i Antsa (mpikambana). Teo ihany koa ny solontenan’ny Ben’ny tanànan’Arivonimamo izay mpiahy ny Sampana.


Nahitana fizarana dimy ny seho, nankafizana tononkalo dimy avy isaky ny fizarana. Niompana ranoiray tamin’ny fiainam-pitiavan’ny zaza miala sakana hisondrotra ho tanora izay antsoin’ny Mpanoratra hoe ADOLANTSENTO.

- Fizarana voalohany, milohateny hoe : "fotsy virijiny sy fo tsy virijiny"
- Faharoa "Maitso soamaharavo sy may tsy ho soamaharavo"
- Fahatelo "Mena miala sakana sy miaina miala sakana"
- Fahefatra "Mavo adalam-pitia sy mahavoadalam-pitia"
- Fahadimy "Mena fadimbolana sy maina fadimbolana".


Nelanelanin’ny hiran’ny tarika ANDRY RABE ary Mia sy Benz ity seho kanto ity. Niezaka nanome ny kanto araka ny niheverany azy ny mpiantsehatra rehetra. Nezahin’izy ireo ho kanto ny famelomana an-tsehatra ny tsanganasa, kanto ny ravaka, kanto ny fandrindrana, kanto ny fanamafisam-peo nokirakirain-dry Zo Randi, kanto ny fifandraisan’ny rehetra; satria rehefa vita ny seho dia nomena fitenenana ny Mpanatrika, na hanontany na hanao fanamarihana.
Voatahiry ho tantaran’ny Sampana Arivonimamo iny seho an-tsehatra iny, izay nolalaovin’i Naura, Miary Fanahy, Dindo, Tsiresy Ryha, Toaviniaina, Taratra, Mitia ny Onja ary Todisoa izay samy mpikambana raikitra avokoa ao amin’ny Sampana Havàtsa Arivonimamo.


Marihina fa tafiditra tao anatin’ny fankalazana ny ANDRO ERANTANY HO AN’NY TENY IBEAZANA ity hetsika ity sy ny fankalazana ny andron’ny mpifankatia. Mankasitraka ny rehetra ny Filohan’ny Sampana, na ireo tonga nanatrika, na ireo nikasa, na ireo naka saina an’eritreritra ny ADOLANTSENTO ka nankafy sahady.

Tatitra sy sary : Ny ekipan’ny Pôetawebs

   
 
   
   

 

 

 

Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 28/02/2017