Créer un site internet
poeta_malagasy
 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.
(T.Ràja)

24 desambra 2017

Ilay fitia najorontsika

Feno hipoka ny IKM. Tontosa ny alahady 17 desambra teo ny tsangan-tononkalo nokarakarain'ny Vondron'ny Korira kanton'ny Haisoratra Malagasy na VKHM. Tononkalo miaro fananarana no nentin'izy ireo tamin'ity seho faharoa namoahana an-tsehatra ny sanganasan'ny mpikambana ity.

Nentina nampianohana ireo mpijery maro be nameno ny efitra tao amin'ny Ivon-toeran'ny Kolontsaina Malagasy ny karazana fitia rehetra. Ankoatra ny dingan'ny fitiavana izay manomboka amin'ny fifampiresahana voalohany ka hatrany amin'ny fanambadiana, ary koa ny fisaraham-belona sy aina, dia nahazo laka tao ny fomba fiainan'ny mpifankatia amin'ny ankapobeny mihitsy. Isan'ny nisongadina ny olana misy ao an-tokantrano, ny sedra lalovan'ny mpifankatia mialoha ny fanambadiana. Fa eo koa ireo solafaka an-dalana ka mitondra vohoka na votso-droa. Ireo rehetra ireo dia noravahan'ny feo mangan'ny tarika Green.

Marihina fa i Léa Fandresena sy JV Rajaonhson no nanentana ny fotoana. Ny filohan'ny VKHM, Ramatoa Saholy RAKOTONANAHARY, no nanolotra ny hetsika ary nanamafy fa tsy ho ela ny hetsika fahefatra ahitana ny fikambanana amin'ny taona 2018 ho avy io. Tsy vitan'ny nianoka ny kanto ireo mpijery fa mbola nahazo sokolà ihany koa teo am-pamaranana ny seho.

Tatitra sy sary: Doda Razafindravelo

 

TSY SAROTINY

Izaho tsy mba sarotiny
moa koa tsy mbola tompony
Fa mbola sarintsariny
Satria aho miaraka aminy!
F'iny "alikako" iny adala...
Tsy misy izay sahala
tsy dia mifidy arapaka
Rahateo, ndry miandry tataka!
Izaho koa tsy zatra miady
F'izao akia rahavavy:
Ento dia ifalio
Tandrovy sy kajio
Sao hisy haka indray
Fa ny tany izao mahamay
Foiko tsisy tambiny
Tsy asiako tombatombany
Tsy hangalako potiny
F'izaho ho aho tsy sarotiny !

RHUJA
Rhuja sy Mahefa, anisan'ireo namelona ny tsangan-tononkalo  
   
Nianjara Masoandro, mpikamban'ny VKHM, niantsa tononkalo Jayah Razaf, niantsa tononkalo ary anisan'ny tompon'ny tononkalo nantsaina
   

Santionan'ny sokolà nozaraina ho an'ny mpijery, maneho izany eo am-pelatanana.

 

Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 24/12/2017