logo

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

09 Novambra 2014

 ALIMBETSO MITONDRA ANARANA : “RINDRIM-BÔLO”
 
 “Velom-bolo ny tokotanin’ny fireneko, velom-bony ny teny sy ny soratra ary velona ny literatiora malagasy aty Atsinanana”. Hotanterahina amin’ny Asabotsy faha 8 novambra 2014, hifoha 9 novambra 2014, ao amin’ny Lycée Jacques Rabemanjara ny alimbetson’ny poeta sy mpanoratra aty Toamasina  amin’ity taona ity. Izany hatao hofanomanana ny famoaham-boky mitondra lohateny hoe ; ‘Rindrim-bôlo”ary ho fanomanana ihany koa ny fivoriamben’ny Faribolana Sandratra nasionaly izay kasaina hatao any Ambodiantafana mandritra ny telo andro amin’ny volana Aogositra 2015.

Hiantsa tononkalo mandra-maraina ireo poeta sy mpanoratra,  handranitra ny aingam-panahiny sy hitaiza ny talentam-panoratana ananany.

Ao anatin’ity Alimbetso ity ihany koa, hisy ny dinika  manokana mikasika ny hetsika “MALAGASY TSARA”, taona 2015. Hetsika arahina  vela-kevitra sy Antsan-tononkalo ary ady hevitra handraisan’ny daholobe anjara.

Ny MALAGASY TSARA  dia efa natao voalohany tao Toamasina ny 8 mey 2013, tao amin’ny Lycée Jacques Rabemananjara, izay niarahana tamin’i R.Mamy Olivier, Ngaly sy Hainga, i Dodwi Rajaofetra, i S.Tafita ary i EZRA S.

Ny mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana teto Toamasina no tonga nanatrika izany miaraka amin’ireo mpampianatra taranja Malagasy.

Ny alimbetso farany dia notanterahina tany Vavatenina ny 22 febroary 2014 ary ny Alimbetso manaraka ny RINDRIM-BÔLO dia amin’ny taona 2015, volana martsa.

Seraseran’ny  Faribolana Sandratra Sampana Toamsina
EZRA S.
5/11/2014

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021