Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny

Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta. T.Ràja

04 Jolay 2015


TANY GIAZANA - CEMDLAC Analakely - 24 jona

 

 

Notanterahana tao amin’ny CEMDLAC Analakely ny 24 jona lasa teo ny antsan-tononkalo TANY GIAZANA.

Taorian’ny fandraisam-pitenenanan’ny solontenan’ny CEMDLAC, narahan'ny vavaka nataon’i Rima dia nirosoana ny antsan-tononkalo mitondra ny lokon’ny sainam-pirenana malagasy

FOTSY

Ny loko fotsy no nanandratana ny tononkalon’ireo pôeta efa nodimandry.

MENA

Ny mena indray dia natokana ho an'ny tononkalon’ireo zoky mbola miaina miaraka amintsika amin'izao fotoana izao.

MAITSO

Ny maitso indray no nanandratana ny tononkalon’ireo mpiantsa ao anaty taninketsa, nanentanana ny fitiavan-tanindrazana sy ny tenin-drazana izay hita hoe mbola giazan’ny vahiny. Namelona an'izany ireo pôeta efa nandray anjara tamin’ny sahoby rombom-panahy andiany voalohany toa an’i Jery, Bade Raanrama, Vina, Narilala, Penina, Ragasy, Rary Mampionona ary Ikaloyna Vony. Nanampy azy ireo koa ny namana Eligie sy Ny Antso hany ka nientanentana ny mpankafy nanatrika.

Nanafana ny fotoana moa ny hiran’ny MPIZAKA STELARIM sy ny fanentanan’i Riambola ka toa ny nadinoina fa mamy ny mody.

 

Tatitra sy sary : Ikaloyna

Solontenan’ny CEMDLAC Rima
   
Riambola Mitia Ikaloyna Vony
   
Jery eo amin'ny micro Narilala


Jery Ny Antso sy Narilala
   
Rary Mampionona Vina
   
Ragasy Penina
   
Bade Raanrama
   
Eligie
 
Ny tarika MPIZAKA STELARIM
 
Ireo mpijery nanaraka akaiky ny antsan-tononkalo

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021