Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny

Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta. T. Ràja

29  Jolay 2015


REHEFA INJAY MITEPO NY FOKO - TRANOMPOKONOLONA ANALAKELY - 24/07/2015
 

Na dia ao anatin'ny fotoanan'ny fampielezan-kevitra ho an'ny fifidianana ben'ny tanàna aza ny andron'ny sabotsy 25 jolay teo, ka ahafahan'ny maro manatrika maimaim-poana rindran-kira ifandrombonan'ny tarika malaza, dia tsy nahasakana ireo mpakafy pôezia hianoka ny "comédie poétique" nokarakarain'ny vondrona Vasia izany, eny fa na dia nandoavam-bola aza ity hetsika ity. Kely foana aza no tsy nahafeno ny tranompokonolon'Analakely, izay marihana fa lehibe lavitra miohatra amin'ny efitra mahazatra ny antsan-tononkalo.

Tamin'ny 3 ora sy 20 minitra no nijoro nandray fitenenana i Manou Raharisoa, mpikabary, niarahaba ny mpijery sy nitondra fanazavana momba ny hetsika ary nanamarika ny fisokafan'ny sehatra : "REHEFA INJAY MITEPO NY FOKO". Naharitra ora 2 sy sasany teo ho eo ny fampisehoana.

Nisava lalana avy hatrany ireo kilonga madinika  tamin'ny alalan'ny dihy mirindra natopatopan'ny hiran'ny Voninavoko, ilay hoe "Itondray tsikitsiky".

Mizara 5 ny fandaharam-potoana ary lohahevitra novohizina tamin'izany ny fitiavan'olon-droa, ny fitiavan-tanindrazana, ny olana ara-politika misy eto amin'ny firenena fa indrindra koa ny olana maro samihafa izay tsy afa-misaraka amin'ny fiainan-janak'olombelona!

Amin'ny maha "comédie poétique" azy dia nosalorana endrika tononkalo ny resaka rehetra tao amin'ny tantara. Tononkalo iray (6 ka hatramin'ny 15 minitra) isaky ny seho no nosafidian'i Nandrianina Maevatiana, izay voalaza fa nandrindra ireo tononkalo ho tantara ary nisaina ny famelomana azy an-tsehatra.

 

Eo afovoany Simon Randria, Judh Gasy ary Felaniary miaraka amin'ny mpilalaon'ny Vasia. Sary : Judh Gasy


 

Ny tononkalo voalohany dia nitondra avy hatrany ny lohatenin'ny hetsika :  "REHEFA INJAY MITEPO NY FOKO".  7 minitra teo ho eo no faharetany ary i Niry-Solosoa sy i Gazela Meva no niangaly azy. Izy ireo moa no nilalao ny toeran'ny raibe sy reniben-drazazalahy, i Rima, fianakaviana sahirankirana avy any ambanivohitra. I Rima no mpilalao fototra niaraka tamin'i Hanitra Olive, izay nifanome voadim-pitia amin'ny fiainan-ko avy. Ny tarika Judh Gasy, 3 mianadahy nombam-baliha sy gitara, no namaranana izany tranga voalohany izany.

Ny tononkalo faharoa, nitondra ny lohateny hoe "Satria tiako ianao", dia nantsain'i Ny Eja sy Tsitohery. Izy ireo indray no Ray aman-dRenin-drazazavavy, Hanitra Olive, mponin'ny renivohitra sady mpanefoefo. Sahabo ho 6 minitra ny fiantsana ary i Simon Randria avy eo no nametsovetso ny mpijery tamin'ireo hirany roa.

Ny tononkalo fahatelo dia nanehoana fitiavan'olon-droa efa nisaraka kanefa tafahaona indray noho ny kisendrasendra : "Ikaloy fitiavana ilay takariva hiombonantsika". Tiavina sy Meva, no niangaly izany nandritra ny 10 minitra. Niaka-tsehatra nandihy indray ireo kilonga fito mianadahy, izay voalaza fa dimby solofon'ny ala avy amin'ireo mpikamban'ny VASIA. Taorian'izay dia niverina nanafana ny sehatra ry Judh Gasy.

Ny tononkalo fahefatra, "Anio fotsiny ihany", dia niangalian'i Nandrianina Maevatiana samirery. 15 minitra no nametsovetsoany ny mpijery. I Felaniary indray avy eo no namehy izany tranga izany tamin'ny hirany telo.

Ny tononkalo fahadimy izay efa nandrasan'ny maro dia ny "Habaky ny nofin'ny fitia", nantsain'i Hanitra Olive sy i Rima nandritry ny 15 minitra. Na dia efa tsy vahiny teny an-tsehatra intsony aza izy roroa dia teto mihitsy vao niaraka niantsa tononkalo. Teo indrindra mantsy no naseho fa tanteraka ilay voady napetraka teny ampiandohana. Mbola ny hiran'i Felaniary indray moa no namarana ny antsa sy ny fotoana tamin'iny takariva iny.

Tehaka nirefodrefotra no nanehoan'ny mpijery ny fahafaham-po nandritra ny fanolorana ireo mpandray anjara ka nifanaovana veloma.

Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa nanaitra ny maro manokana ny fahaiza-miangalin'i Nandrianina Maevatiana sy Niry-Solosoa, izay tsy nanamaivana velively ny fahaiza-manaon'ny mpilalao hafa.

Ny haingon-tsehatra niantefan'ny safidin'i Tsiahy Andrianina dia azo lazaina fa saika ara malagasy avokoa ny 95 isan-jatony ary ny fivoaran'ny teknolojia no nameno ny sisa.

 

Tatitra : Vatosoa Rakotozanany

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021