Pôetawebs

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

01 Aogositra 2015

ANTSAN-TONONKALON'NY FARIBOLANA SANDRATRA TAO AMIN'NY CGM : TSY AVAHANA SY RATSIFA

Nifamotoana tao amin'ny CGM indray ny mpiangaly haisoratra malagasy sy mpakafy azy ny alarobia 22 jolay 2015 lasa teo. Nanomboka tamin'ny 3 tolakandro izany ka tsy nifarana raha tsy tamin'ny 5 sy sasany. Tsara marihina fa efa fanaon'ny Faribolana Sandratra ny hetsika toa izao ka tamin'io dia nomena sehatra manokana i Tsy Avahana sy i Ratsifa mba hizara ny kantony amin'ireo mpakafy azy.

ANTSA

Nifarimbonan'ireo mpiara-mikanto teto ny fiantsana ny asa soratra izay nahitana an-dry Tahirintsoa, Nirindra, Merokosiky, Lefitra aloky ny Ara, Elodie, Jery, Nirihaja, Anjara tsy ahy rehefa avy nialohavan'i Tsy Avahana sy i Ratsifa izany.

HIRA

Nanasa mpihira koa ry zareo anelanelanana ny antsa mba tsy hahamonamonaina ny mpakafy ka nahitana an-dry 306BUK sy Tourinay-T. Ny lokon'ny hiran-dry zareo moa dia irony ankafizin'ny zatovo irony tokoa, "rap" na vazo miteny angaha no azo ilazana azy, hany ka nifanaraka tsara tamin'ny FANTSY natolotr'izy dahy izany.

ASA SORATRA SY BOKY

Raha ny asa soratra no asian-teny dia somary nasiaka tokoa ho an'izay niantefany ny hafatra tamin'io. Ny boky indray dia ahitana tononkalo miisa 64. Miloko ny boky ary ahitana ny sarin'i Tsy Avahana sy i Ratsifa. I Zo Maminirina no nanao ny teny fanolorana. Mizara roa miavaka tsara ny boky ka an'i Ratsifa ny tapany voalohany izay ialohavana ny sariny izany. Ny tapany faharoa kosa dia an'i Tsy Avahana, nahitana sary roa hafa toy ny alimbetso tany Ampefy sy Tsiroanomadidy. Sombintsombina tononkalo no hita amin'ny fonom-boky farany.

NY MPIJERY

 Hita tena nahasarika ny olona, indrindra ny zatovo, ity hetsika ity satria feno hiboka ny efitrano, maro ireo nanao ladina an-tany raha tsy vitsy koa ireo nijoro niankin-drindrina. Nandray anjara tamin'ny fanehoam-pisaorana tamin'ny alalan'ny tehaka mirefodrefotra ny mpakafy.

Nomena sehatra ny mpijery tamin'ny alalan'ny fahafahan'ny maro nametra-panontaniana ka mazàna dia i Tsy Avahana no niantefan'izany noho ny asa sorany masiaka dia masiaka tokoa (nahaliana ny mpihaino ny lasany).

Ranoe, Sekretera Jeneraly nasionaly sady mpanorina ny Faribolana Sandratra, no nandray ny fitenenana farany tao aorian'izay.

Raha atao bango tokana dia tsy tahaka ny hetsika rehetra ity indray mitoraka ity fa tena niavaka tokoa.

Tatitra : Herifitia Tsikitsiferana Arouti

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com
Raha misy tsy mety ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra.

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021