Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny

Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

17 Aogositra 2015

 

 

KONONKANTO : HETSIKY NY DTM : 05-08 aogositra 2015

KONONKANTO no anaran'ny hetsika nokononin'ny fikambanana DTM ny 05-08 Aogositra 2015 teo teny amin'ny Foibe Vaomieram-pirenena Malagasy miara-miasa amin'ny UNESCO-BEHORIRIKA.

TRATRA NY TANJONA

"Tratra ny tanjona", araka ny resaka nifanaovanay tamin'ny mpikamban'ny DTM, RANDRIAMILANTO Jean Emile (Ny Ami) :
"Saika tsy omby indray aza ny tranon'ny UNESCO! Tsy arakarak'ilay izy hoe nasiana vidim-pidirana".

Naharitra telo andro ny hetsika araka izany ary maro ireo masaka azo natolotra ny vahoaka. Nanazava ny andinindininy Ny Ami.

"Hetsika konon-kato nokarakarain'ny DTM nanomboka ny 05-08 Aogositra ilay izy fa ny sabotsy 08 Aogositra no tena ivon'ny hetsika. Nivelatra tamina sehatra ara-java-kanto maromaro toy ny fampianarana sary mivoitra malefaka (Bas relief) ny alakamisy 06 Aogositra, ary fampirantiana ny vokatra Dian-tanamasoandro (Boky sy Taosary). Ny Sabotsy 08 moa no namaranana ny fotoana tamin'ny alalan'ny tantara tsangana sy antsa tononkalo".

"HEVITRA TOKANA" : TANTARA TSANGANA

Ny tantara tsangana dia nitondra ny lohateny hoe "hevitra tokana", nosoratan'ny filohan'ny DTM, Brentch Mbolamasoandro. Ireto avy no nanome aina azy : Rotsy, Adolph, Sabine, Malala, Telomahery, Ny Ami, MiAndriVola, Heriniaina, Andry... Izy ireo ihany koa no nandray anjara tamin'ny antsa. Ny votoatiny moa dia "fitiavana" eo amin'ny Ray aman-Reny sy zanaka ary eo amin'ny samy mpifankatia koa. Fitiavana voararan'ny Ray aman-dReny no naseho hany ka niafara tamin'ny fifandirana sy fisaraham-bazana teo amin'ny roa tonta, ka fahafatesan'ilay zanany aza, indrisy, no setriny.

Indreto àry aseho an-tsary amintsika ny masaka tamin'izany izay nahitana rantin'ireo boky mirakitra ny asa soratr'ireo mpikambana, fafana maneho ireo mpikambana, ary ilay seho nandrasan'ny maro, dia ny tantara tsangana.

Tatitra sy sary : Ikaloyna.

 

 

 

 

Ny Ami niantsa tononkalo Andry niantsa tononkalo
   
Andry sy Adolph niaraka nihira Tononkalo voarakitra amin'ny lambam-baravarana
   





Soratra an-damba
  Fafan'i Mbolaranto Ramanantsoa
   
Fafan'i Mampionona Fafan'i Niaro
   






Rantin'ireo bokin-tononkalon'ny mpikambana
Fafana maneho ireo mpikambana sy ny asa sorany  

 

 

 

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021

×