Pôetawebs

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

19 Aogositra 2015

VATOLAHIN-TSORATRA : HETSIKY NY MPIZAKA STELARIM - CEMDLAC - 29 jolay 2015

Nametraka amboaran-tononkalo am-boky sy antsa antsoina hoe VATOLAHIN-TSORATRA ny MPIZAKA STELARIM  ny 29/07/2015 lasa teo tao amin'ny CEMDLAC Analakely ho fankalazana ny faha 30 taonany.

Nasehon'ireo zandry aty aorina tamin'izany an-tsehatra  ny fiainana andavanandron'ny Malagasy toy ny pôlitika, ny tokantrano, ny fitiavana, ny literatiora satria manana hafatra hampitaina izy ireo ho an'ny mpiray tanindrazana.

Nanokatra sy nanentana ny fotoana i Aina Miolampandry izay mpikambana zokiny ao amin'ny STELARIM rahateo. Ny feonkira lafika kosa dia nosahanin'i Andry ary ny tarika TOURNAY T no nanelanelana ny fotoana tamin'ny hira rap.

Tantara tsangana indray no haroson'izy ireo antsika amin'ny volana oktobra ho avy izao.

Tatitra sy sary : Ikaloyna






Stelarim
Aina Miolampandry, nanokatra ny fotoana sy niantsa


Batsola
Volatiana sy Niaha nihira




Torinay T - nihira rap

Riana



Fanehoana ny lohahevitra "pôlitika"

Rantso



Ny Antso
Nirina


Mamiratra


Narilala Ravakinoro Hanitrinihoavy


Herifitia


Fidy Razakarison


Fanjio
Fanjio sy Rantso


Fam Ratrano







Andry mpitendry feonkira lafika

Andry sy Zo


Fanjio Andry





Fanjio (mitsangana) Torinay T

















Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021