Pôetawebs

Ny poeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

08 Novambra 2015

TRANOVORONA CEMDLAC ANALAKELY - 30/11/2015

Miarahaba ny mpisera ato amin'ny Pôetawebs. Nentanin-kafanam-po teo ampijerena Tranovorona ny Zoma 30 Oktobra lasa teo dia tsy naharitra fa tonga mitakoritsika amintsika mianakavy eto indray e!

Raha tsiahivina tokoa mantsy dia io Zoma 30 Novambra 2015 lasa teo io no nanatanterahan'ireo namana Pôeta maromaro ity hetsika "Tranovorona" ity. Tsikaritra nirambaramba ny "Tranovorona" tamin'io hetsika io ny namana Pôeta toa an'i Ikaloyna Vony, izay raha tsiahivina dia mpikarakara ato amin'ny tranonkala Pôetawebs. Teo ihany koa i Serge Rafalinirina avy ao amin'ny Faribolana Sandratra, i Vina avy ao amin'ny Havatsa Upem, i Elegie avy ao amin'ny fikambanana TSANTA, i Narilala Ravakinoro sy  i Faly Mamiratra avy ao amin'ny Mpizaka Stelarim ary i Rary Mampionona. Nanome aina ny hetsika tamin'izany i Tikalo nampian'ny ireo namana vitsivitsy.
 
Tao amin'ny CEMDLAC Analakely moa no natao ity hetsika ity ary tamin'ny 3 ora tolakandro ny ora nanombohany. Raha hatamberina kely dia tsy norambarambaina fotsiny tamin'izao ity Tranovorona ity fa noraketiny tao anaty Boky iray ny tantarany sy ny mombamomba azy. Araka izany dia nisy tokoa ny famoahana Boky ho vatofantsiky ny "Tranovorona".

Ny feo kanton'i Ony Mihajanirina no re nanakoako tao anaty efitrano teo ampamakiana ny Teny fanolorana ny Boky. Teny fanolorana izay nosoratan'i Laure Rabarison, Tale Jeneralin'ny Tranobem-pirenen'ny Zavakanto sy Kolontsaina (OFNAC).

Nandimby ny feo kanton'i Ony indray ny an'ny namana Avelo Nidor raha namaky ny Sasinteny nosoratan'i Hemerson tao anaty Boky.

Tanjona tamin'ity "Tranovorona" ity ny fanehoana amin'ny fomba kanto ny santionan'ny Riba malagasy momba ny fandrazanana. Tratrany tanteraka io fanehoana ny Fomba malagasy anaty antsa io teto ary samy niaiky ny rehetra fa manana endrika hafa kely tokoa ity "Tranovorona" ity noho ny fahaizan'ireo namana Pôeta nanome aina azy.

Teo amin'ny endrika indray dia nasehony teo an-tsehatra avokoa ny fomba fandrazanana fanaon'ny Malagasy hatramin'izay ka hatramin'izao. Niatomboka tamin'ny filanjana ny tranovorona izany, nitohy tamin'ny fitondrana ny trano vorona ho eo ambohitra, ny fiandrasana izany mandritry ny alina, ny fiaretan-tory.

Teo amin'ity fiaretan-tory ity indrindra no nahitana ireo mpanakanto sady Pôeta toa an'i Mero Kosiky sy Ny Andriniela izay sady nanao feo lafika nandritra ny antsa no nanampy nihira tamin'ny fiaretan-tory. Tsikaritra tao ihany koa i Faliarison sy Avotra sns. izay nandravaka hira sy nikanto teny anelanelan'ny Antsa teny.

Rehefa vita ny fiaretan-tory dia mbola nasehon'ireto Pôeta ireto indray ny fampidirana ny razana ho ao ampasana, io ilay antsointsika hoe "fandevenana".

Hita araka izany àry fa feno tokoa ity hetsika ity ary tena lafatra noho izy nampiseho tanteraka ny Riba malagasy. Izay tsy tonga tokoa no nangitangitaka fa ireo rehetra teny an-toerana dia nalain-kisaraka: satry foana hijery tranovorona, satry hianoka ao anaty Antsa, satry koa hifanotrona hatrany... hany ka ny masoandro maty tokoa no nampalahelo!

Eto ampamaranana ary dia tsara ny mampatsiahy fa ny hetsika "Tranovorona" dia tsy naneho fotsiny ihany ny santionany amin'ny Riba malagasy fa naneho sy azo hitarafana ihany koa ny firaisankinan'ireo Pôeta sy Mpanakanto Malagasy!

Tatitra sy sary : Ny Ami













Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021

×