Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny

amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

11 Novambra 2015

"ZANA-DANGO", antsan-tononkalon'ny Mpiray Faribolana SANDRATRA

"ZANA-DANGO" dia ainga nifandrombonan'i RIMA sy MEVA tamin'ny 24 Oktobra 2015 ary namoahana Boky mitondra izany lohateny izany.

 Ny firodorodon'ny mpankafy sy ny endriky ny fanomanana ary ny fanehoana an-tsehatra novelomin'ny mpikambana namana sady FARIBOLANA SANDRATRA toa azy roalahy no nanaporofo fa Pôeta tena nametraka ny tantarany teo amin'ny soratra i RIMA sy i MEVA.

Nanaitra ary nampiavaka ny "ZANA-DANGO" ny fitoviana tamin-javatra maro.

  • Ny lokon'ny fanamian'izy mirahalahy sy ny didiny dia noezahana ho kapoka iray
  • Samy nahavita sary hosodoko lehibe amin'ny endriny avy izy mirahalahy naranty ny mpanotrona
  • Ary izay tena naningotra fanahy dia toa aingam-panahy iray ihany no nivoaka avy ao anatin'izy roalahy
  • Mitovy fanehoan-kevitra, sahala filazan-javatra ary toa fomba itovizany ny filalaovana teny.


Mpihira roa samy hafa no tonga nandravaka ny fotoana ary toy ny mahazatra dia niafara tamin'ny fametrahana fanontanian'ireo mpanaraka antsa ao amin'ny CGM ny famoahana ilay boky "ZANA-DANGO".

Nalain-kisaraka! Izay no azo ilazana ny fifamatorana am-po teo amin'izy mirahalahy sy ny mpanotrona, eny, hatramin'ny ora farany.

Toy ny niaina tsiahy sy nandalo tamberina vetivety ny rehetra, satria ankoatr'ireo tononkalo sasantsasany, tao vao niseho masoandro, dia noezahan'i RIMA sy i MEVA nampidirina tao anatin'ny "ZANA-DANGO" ireo tononkalo tena nahafantarana azy hatramin'izay ka efa teo am-bavan'ny maro hatrany.

Naharihariny hiseho masoandro ireo tsindry hazo lena zakain'ny vahoaka eo amin'ny andavanandrom-piainany : fahatapahan-jiro, ny fitakiana etsy sy eroa, ny lokom-piainana tsy mety ho hitan'ireo mody jamba, na dia navoitrany tetsy anilan'izany aza ireo fiainam-pitiavana mahafanina sy toa tsy mampino raha tsy ho an'ny olona miaina azy ihany.

Tsy ho voatantarantsika maika izay rehetra nandona ny fo teo am-pianohana ny fiantsana manontolo ny aingam-panahy voarakitra ao anatin'ny "ZANA-DANGO".

Mirary soa ho antsika rehetra liana sy nangetaheta ary nitondrana ny masaka teto.

Tatitra : Ny Iraka Rambolamanana    Sary : Ikaloyna Vony

 

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021

×