Pôetawebs

 Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

28 Novambra 2015

HABAKY NY FANAHY - IVOKOLO CEMDLAC - 18 NOVAMBRA 2015

Nanomboka tamin'ny roa ora sy sasany tsy diso ny fotoana. Ny filohan ny vondrom-panabeazana ACCEEM, Ratrem William, izay sady ray mpiahy azy 6 mianadahy mpikambana ao amin ny Korira namoaka ny boky "Habaky ny fanahy" no nandray fitenenana voalohany nanolotra ny boky.

Taorian'izay dia ny filohan'ny fikambanana Vondron'ny Korira kanton'ny haisoratra malagasy, Saholy Rakotonanahary, no nilaza fohifohy ny momba ny fikambanana sy ireo mpikambana ao anatiny. Vita izay dia nanomboka ny seho "Habaky ny fanahy". Lohahevitra 5 no novetsoin'izy 6 mianadahy tao anatin'ny seho: ny Pôeta sy ny asa soratra, ny fiainana, ny fitiavan-tanindrazana, ny fitiavana ary ny fahafatesana.

Niavaka sady nahaliana ny olona ny nanoloran'izy 6 mianadahy ny antsa satria natsangana ho toy ny teatra isaky ny lohahevitra ireo tononkalo. Nisy ihany koa ireo mpikambana hafa izay nanampy teo amin ny fandravahana ny seho. Nisy fotoana nidinan'izy ireo tany amin'ny mpijery mihitsy mba hampiaina ny seho. Anisan'ny nampiavaka ny hetsika koa ny fampiasan'izy ireo haingon-tsehatra maro toy ny fatana kitay sy ny vilany nongo, eny hatramin ny razana nolanjaina aza dia hita tao hanehoana ny fahafatesana izay nahalatsa-dranomaso ireo mpijery sasany mihitsy. Anisan'ny haingon-tsehatra nahafinaritra ihany koa ny fisian'ny tora-jiro(projecteur) izay naneho ny sarin'ny mpanoratra na sary mifananaraka amin'ilay tononkalo sy ny lohateniny isaky ny miantsa izy ireo.

Ankoatra ny tononkalo dia noelanelanin'i Avotra (Avotra Rama fb) sy Jacky (jamba)  tamin ny alalan ny hira malagasy kanto ny seho. Ireo mpanentana roalahy, Johary Mikalo (fb) sy Thierry, ihany koa dia tena nahafa-po ny mpijery ny kabary mampihomehy izay manavanana azy ireo.

Nony vita ny antsa dia mbola nandray fitenenana ny filohan'ny Vondrom-panabeazana ACEEM, Ratrema William, ary nambarany tamin'izany fa afa-po izy fa hay tsy hoe mahay manoratra fotsiny ireto mpikambana ao amin ny Vondron'ny Korira Kanton'ny haisoratra malagasy ireto fa sady mahay miantsa sy milalao teatra ihany koa. "Mahavelom-panantenana ny mahita tanora manan-talenta miorina sy saro-piaro amin'ny maha-Malagasy azy", hoy izy. Raha fintinina dia tsiky, hafaliana, fahafaham-po, fanantenana ny amin'ny ho avin ny literatiora malagasy no hita soritra teny an-tavan ireo mpankafy ny kanto malagasy marobe tonga nanatrika ity hetsika famoahana boky voalohany "HABAKY NY FANAHY" nokarakarain'ny Vondron'ny Korira Kanton'ny haisortra malagasy ity. Miandry ny vokatra manaraka avoakan'izy ireo indray isika! Ho ela velona anie ny literatiora malagasy!

IARANTSOA, BADE RAANRAMA, NY ROVAKO, R-DEGRA, ANJARATIANA-VETSO, ireo izy enina mianadahy namoaka ity Boky ity.


Tatitra : Ando Harinjaka

Sary : Jean Degra Randria

 







Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com