Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

30 Desambra 2015

ANTSAN-TONONKALO TADIO

TADIO no anaran'ny hetsika tolo-tanana iray notontosaina tetsy amin’ny CEMDLAC Analakely ny Sabotsy faha 26 desambra lasa teo.

TOLO-TANAN'NY PÔETA

Tolo-tanana ho an'iza? Natao hanampiana ny mahantra amin’izao fety izao, mahantra tsy mba manan-karotsaka kanefa ny maro mihinan-kanim-pitoloha sy mifaly havanja.

Mpanoratra valo mianadahy no vy nahitana ny hetsika. Nipoitra avy amin'ny fikambanana samihafa izy ireo: HAVATSA UPEM, SANDRATRA, TSANTA, KORIRA KANTON’NY HAISORATRA, MPIZAKA STELARIM.

BOKY

"TADIO" ihany koa no lohateny nomena ny boky navoaka tamin'io andro io izay nahitana ny asa soratr’izy valo mianadahy : Martelle Nath, Narilala Ravakinoro, Niaina Sakaiza, Elegie, Ny Fotopisaina, Rary Mampionona, Mamiratra ary Jery.

FAMARITANA

Tadio : safotofotom-piainana toy ny tambolombolon-drivotra mahaditsoka tsy ahitana ny lalan-kombana.

Tadio : filaza mandidy ny hoe tady, izany hoe asio tady ifampitohizana, ifandrohizana, itaritana.

Tsy avy amin'izany indrindra ve no tokony hanetsika ny tsirairay tsy hanilika ny tsy manana fa hanaiky ny hifandray sy hifampitohy aminy?

FANDAHARAM-POTOANA

Tamin’ny roa ora sy sasany no nanomboka ny hetsika. Novakiana voalohany ny teny fanolorana tao anaty boky ary narahan'ny sasin-teny.na intsony e!

Nizara telo ny fotoana.

Ny fizarana voalohany dia niantsana ny POEZIA FAHAFAHANA : te ho afaka, te hifety toy ny rehetra, manantena tsy misy any amin’i Dadabenoely.

Ny fizarana faharoa dia niantsana POEZIA KAMBOTY. Tamin'izany no nanehoana an-tsehatra ny zava-misy eny amin’ny fiaraha-monina, ny fiveloman’ny MAHANTRA sy ny SAHIRANA: manefy, mivarotra tapatapa-by, mamboatra kiraro simba, mivarotra tavoahangy, mitady lamba hosasana, mangataka izay mba foy... Ary manoloana izany rehetra izany dia eo koa ny avonavon’ny MPANANKARENA : manilikilika, zara raha mahafoy kely ary ao anatin'izay foy aza dia dia tsy ahitana afa-tsy izay sisa tsy tiana sy ny efa tsy miasa intsony.

Ny fizarana fahatelo dia nampisehoana ny olan'ny tokantrano. Ao ohatra ny ditran’ny raim-pianakaviana misotrosotro rehefa zoma. Ny renim-pianakaviana ao an-tokantrano moa mitaintaina. Ny zanaka etsy andaniny dia be fanontaniana ka voatery anafenana ny marina tsotra izao.

Nampisehoana ihany koa ny fomba fisarihan’ny fiangonana zandriny azy ireo ka mahatonga ilay hoe "fiovana fo". Fa iza anefa no tsy mahalala fa ambakaina izy ireny rehefa any satria vao mainka aza tafahitsoka indray any amin'ny fahantrana lalindalina kokoa? Mifanaraka amin’izany indrindra ireo tononkalo nantsaina tao.

FAMARANANA

Novakian’i Martelle Nath ny teny fisaorana tao anaty boky. Natolotra tsirairay tamin'ny mpanatrika ireo mpandray anjara rehetra.

Ny namaranana ny fotoana ary antom-pisian'ity hetsika ity moa dia ny fizarana tamin'ireo olona sahirana ny fanampiana azo, izay tsy inona fa ireo tombony tamin’ny vidin’ny boky, kilalao, rakitra sns.

MPANDRAY ANJARA

Niantsa: Martelle Nath, Narilala Ravakinoro, Niaina Sakaiza, Elegie, Ny Fotopisaina, Rary Mampionona, Mamiratra, Jery, Vina, Tiana Miandrisoa.

Nanentana : Andry ZO

Nitsoka ny “saxe”: Sitraka

Nitendry valiha: R. Tahiana

Nitendry gitara: Tojo
 
Nihira manelanelana ny fizarana: Tatie (zandrin’I Martelle Nath)

Nisahana ny lafin'ny teknika: Endrika Aizina, Idealy

Tatitra: Arilala Andriamamonjy
Sary: Mi Razanadrakoto

 

 

   
   
   
 
 

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com