Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

03 Febroary 2016

"Anoka fitia", antsan-tononkalon'i Sento sy Koloina Rkf

 

 

Androany 03 febroary tamin'ny 2 ora sy 35 minitra, tao amin'ny efitranon'ny CEMDLAC Analakely no nanomboka ny seho.

Kanto tokoa satria tao anaty hira malefaka nanindrahindra ny lohatenin'ny boky no nanolorana ny antsa voalohany "anoka fitia". Nianoka tao anaty fitia maro loko ny mpanotrona an'i Sento sy Koloina Rkf. Fa nisongadina tao ny fitia nangalarina sy ny ranomaso anatin'ny fitia. Manan-talenta tokoa ny tovovavy, manko tsy vitan'ny niantsa fa nandravaka izany tamin'ny hira ihany koa.

Tanora 12 mianadahy no namelona ny tononkalo tao anatin'ny boky. Izay noelanelan'ny "Kambana Metaly" tamin'ny gadon-kira mavesatra (rock). Nifarana tamin'ny 4 ora sy 42 minitra izany. Ny teny fanolorana moa dia nataon'i Iraka Rambolamanana ka ny mpanolotra no namaky azy. Ny filohan'ny TSANTA, i Aina Nirina kosa, no nanoratra sady namaky ny sasin-teny.

Miarahaba azy miandahy nahavita dingana ary maniry ny hitohizan'ny fahombiazana toy izao ny Pôetawebs.

Tatitra sy sary : Doda
  Ny mpijery atao indray mitopy maso

Betsaka ny olona tonga nanatrika ka ny nahavariana dia maro amin'izy ireo no mpanoratra tia mifanohana amin'ny karazana ambohimpihaonana toa izao.

Nafinaritra ny seho fa nataon'izy ireo miendrika teatra ny amboara tononkalo noravahan'i Milanto sy Ravo hira.

Miaina tsara ny tantara ka nahazoan'ny mpijery fahafinaretana. Porofon'izany ireo tehaka mirefodrefotra. Nalaina nisaraka ny mpiantsa sy ny mpankafy hany ka na dia efa tapitra aza ny fotoana dia tsy nisy nihetsika ny rehetra.

Dinidinika sy fametraham-panontaniana no tena namaranana ny fotoana. Anisan'ny notsongaina tamin'izany ny fanontaniana mety mahasadaikatra hoe:
"Mpifaninona hoe Koloina Rkf sy Sento?"

Tsy naka sarotra i Koloina Rkf namaly fa mpianadahy tao amin'ny Facebook izy ireo.

Léa Fandresena

 

 



 

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 06/02/2016