Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

18 Febroary 2016

HANITRY NY FITIA

Io no anaran’ilay hetsika iray notanterahan’ny fikambanana Diantanamasoandro na DTM ny Sabotsy faha 13 febroary lasa teo tao amin'ny IKM Antsahavola, hetsika iray notontosaina ho fankalazana ny andron’ny mpifankatia.

Haody ry Analamangako

Tamin’ny telo latsaka fahefany tolakandro no nanomboka ny hetsika. Ny hira "Haody ry Analamangako" no nanokafana azy ary ireo mpikamban’ny DTM ihany no niredona azy.

Taorian’izay dia nanomboka ny antsa voalohany tamin’ny famaritana ny atao hoe FITIAVANA. Rehefa izany dia tononkalo mihira ny EMBONA no nantsaina. Nantsaina ihany koa ny FILAFILA ao anaty fiarahana izay miteraka ADY ka tonga amin’ny FISARAHANA sy FAMOIZAM-PO. Fa na teo aza anefa izany dia tonga tamin’ny FIFAMERENANA ihany.

Hira nanelanelana

Maromaro ireo hira nanelanelanana sy nandravahana ny antsa, iray tamin’izy ireny ilay hiran’ny tarika MAHALEO hoe "izany aky ny fitia, fitia tena fitia, iray aina, iray safidy". Anisan’izany koa ny nihiran’i Mikalo ilay hiran’i Farakely sy i Laza mitondra ny lohateny hoe "tsy foiko ianao".

Resaka ifamaliana an-tononkalo

Anisan’ny tena nahafinaritra tamin’ity antsan-tononkalo ity ny fisiana resaka ifamaliana an-tononkalo, hita izany teo amin’ny FILAFILA, ADY ary FISARAHANA izay nolalaovin’i Ny Ami sy Avotriniaina Tsiresy. Tena nahay nampiditra ny mpijery tao amin’ilay tontolon’olon-droa izy ireo: ranomaso, valy an’avona, fandrangitana, famolapolahana amin’ny famonoan-tena... Fa teo ihany koa ny antsa nataon’i Malala sy i Victorien izay toa nifamaliana ihany koa satria resaka fitoriam-pitiavana…

Ny tontolon'ny Diantanamasoandro

Ny namaranana ny hetsika dia ny fandraisam-pitenenana nataon’i Brentch Mbolamasoandro, filoha mpanorina ny fikambanana. Teo no nampahafantarany ny zava-kanto rehetra misy ao amin’ny DTM: sary, hosodoko, hira, vohitra an-tsary, tantara tsangana (teatra), tononkalo.

Teo ihany koa no nampahafantarana tsirairay ireo mpikamban’ny Diantanamasoandro rehetra tonga nantrika, eny fa na dia ireo tsy nandray anjara aza.

 Ireto avy ary ireo nandray anjara:

- Brentch Mbolamasoandro

- Malala

- Mikalo

- Avotriniaina Tsiresy

- Mbolaranto Ramanantsoa

- Adolph

- Sabine

- Mahery

- Victorien

- Maphouna

- Niaro

- Ny Ami

- Tsiarout

- Rotsy

- Ravic

- Lapata.

Nahafinaritra tokoa ity hetsika iray ity satria toa nanavao indray ny fifankatiavan’ireo mpifankatia tonga nanatrika. Nahatsapana koa ny hetsika fa ZAVA-DEHIBE EO AMIN’NY POETA NY FITIAVANA.

Tatitra: Heriarilala Andriamamonjy

 

   

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com