Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

26 Febroary 2016

KALO FITIA 2, antsan-tononkalon'i RIVA - IKM, 20/02/2016

Nanatanteraka antsan-tononkalo i RIVA tao amin'ny IKM Antsahavola tamin'ny 20 febroary tolakandro teo.

Tamin'ny 3 ora latsaka fahefany no nanomboka ny fotoana. Ny teny fanolorana nanombohana ny seho dia natao feo fotsiny mba hampifantoka ny mpijery. Narahan'ny hiran'i Mirana izany ho fiarahabana. I Riva kosa no nanohy ny fotoana tamin'ny antsan-tononkalo, ka nanampian'ireo namany azy tao amin'ny faribolana Sandratra toa an'i Martelle Nath, Nirindra Rafalimanana, Jery, Mero Kosiky. Nandravaka ny antsa i MIRANA sy MBOLA TALENTA tamin'ny hira sy mozika. Kanto tokoa no nanaovan-dry zareo izany teo amin'ny feo fa indrindra tamin'ny fiangolany ny kalon'ny fahiny.

Ny antsa natao tao dia sombin'ny voarakitry ao amin'ny KALO FITIA 2, ahitana tononkalo miisa 120 mahery. Araka ny lohateniny dia maro tamin'ireo tononkalo nantsaina no nirona tamin'ny lohahevitra fitiavana. Santionany amin'izany ireto manaraka ireto.

"Isak'izay mahatsiaro", "Rivotra voanjobory", "Vavaky ny moana", "Raha teto mantsy ianao", "Difotra alahelo", "Mpaninjara fitia", "Fiadanana", "Fanambadiako", "Volan-tantely"...


Adin'ny mpifankatia an-tsehatra

Tononkalo an-tsehatra iray no nanehoana olon-droa miady noho ny olana teo amin'ny fiarahana. Tonga tany amin'ny fisarahana mihitsy izany taty aoriana. Indray andro hono anefa dia nisy ny fifanenana teo amin'ny toerana fifamotoana mahazatra taloha. Saingy tamin'ity indray mitoraka ity, dia izy roa samy niaraka tamin'ny olon-tiany vaovao avy no nifankahita indray. Izany fifandrifian-javatra izany dia tsy nitarika afa-tsy fifampijerijerena mahatsikaiky fotsiny.

 

Tantaran'i Noro

Ity tantara ity indray, raha fintinina, dia noraketina tanatin'ny tononkalo telo samy hafa.

Noro dia tovovavy tsara tarehy mbola virijiny notorian'ity tovolahy iray fitiavana. Kanjo nampifilafila be ilay kalakely taty aoriana satria lasa nilalao fitia ka nivadika ny rasa. Ny zava-nitranga, hoy ianareo? Lasa ilay vehivavy indray no nanolotra fitiavana an'ilay lehilahy. Nisamonta hatrany ny fiainana satria fotoana elaela taty aoriana, raha nitsangantsangana tany Mahanoro ilay tovolahy dia nahita an'i Noro niaraka tamin'ny lehilahy iray. Aneritreritra no nilazany hoe "enga anie ka mba ho olon-tiany iny miaraka aminy iny ary mba ho tsara tantara i Noro", sady ny lalany no nizorany.

Nahatsikaiky

Nampiavaka an'ity antsa ity koa ny firedonan'ny rehetra an'ilay tononkalo mitondra ny lohateny hoe FIADANANA, hira fanao any ampiangonana. Nahatsikaiky aza fa toy ny fanao any an-Tempoly mihitsy dia nifandray tanana ny olona ka nisy tokoa ny fanararaotan'ny lehilahy nifandraisan-tanana tamin'ny tovovavy tiany.

Mbola ao anatin'izay tranga mahatsikaiky izay ihany no nanehoana ny "Fanambadiako", resaka nataon'ny lehilahy iray tamin'ny vadiny momba ny fifankatiavan'izy ireo. Niafara tamin'ny tokony hanentsenana lava-boalavo maro be tao an-tanàna ny tantara.

Namarana ny seho ny "Fitia nofinofy" tao amin'ny KALO FITIA 1 izay nisy nangataka mba hanomezana fahafaham-po ny mpijery. Ny hiran'i Mirana hoe "veloma", araka ny lohateniny moa no nentina namaranana azy.

Seho manaraka

Nisy tokoa ny fametraham-panontaniana momba ny seho manaraka.

Riva: "Amin'ny sabotsy 27 febroary, ao amin'ny CGM, karakarain'ny Faribolana SANDRATRA. Amin'ny herintaona dia ho feno 18 taona no nanoratako ka hanao seho goavana be aho"

 

"KALO FITIA 1", "KALO FITIA 2", "REVY HAFA"

Tsy ny fahataperan'ny fotoana akory no nandaozan'ny mpanatrika an'i Riva. Toy ny tsy nanam-pahataperana ny fanohizana ny seho; ny masoandro maty aza no nampalahelo, araka ny fitenenana.

Noventesina tao ny "KALO FITIA 1", "KALO FITIA 2" ary ny "REVY HAFA", izay nandraisan'ny mpijery anjara hatrany sy ny mpikanto toa an'i Tiana Miandrisoa, Jery, Mero Kosiky, Raoly Fotopisaina, Vina, izay nanelanelana an'ireo tononkalo nantsain'i Riva.

Santionany : "Tia aho", "Saro-piaro", "Tiako", "Ampisambory", "Fitia tena fitia", "Sara-tiana", "Ala-pijery", "Mitia", "Ny orokao malala", "I Hanta kely", "Tsy sanginy", "Dia", "Tiako ianao", "Hitia anao aho", "Mitia am-panahy"...

Resaky ny mpikanto

Taorian'ny tena niafaran'ny fotoana tamin'ny 5 ora hariva dia mbola tafaresaka tamin'ny mpikanto vitsivitsy ny ekipan'ny PÔETAWEBS.

Raoly Fotopisaina: "Tena mahafinaritra! Hita mihitsy hoe niezaka nanome fahafaham-po ho an'ny mpankafy i Riva. Ny tononkalo ihany koa, ao amin'ilay tena ankafizin'ny be sy ny maro mihitsy. Ny hitako indro kely dia ny lafiny ara-teknika. Fa na izany na tsia, nahafinaritra ny seho, nampiala voly tokoa".

Ando harinjaka: "Teo amin'ny lafiny teknika dia tena tsy milamina! Vitsy ny mpiantsa namelona azy. Izay ny lesoka sady somary fohy sady tsy nilamina tsara ny fandaminana ny fotoana. Tsara daholo ireo tononkalo nantsaina. Mahay koa ireo mpamelona na vitsy aza. Nahafinaritra ny fiantsana REVY HAFA sy ireo olona hafa niantsa azy".

Hiakampandresen'ny joro : "Tena mahafinaritra ka! Tsara ny fanomanana, tsy nisy olana teo amin'ny fiantsana! Kanto e!"

Riva : "Ankoatra ireo namana mpanoratra dia nahita endrika vaoovao maromaro aho. Betsaka tamin'ireo mpijery KALO FITIA 1 no tsy tonga fa nisolo olona hafa mihitsy. Misy kosa anefa ireo tsy mahasaraka fa tonga foana. Amin'ny ankapobeny dia efa mahafantatra ahy daholo ireo mpijery, hany ka misy hafaliana tsy hay faritana ao anatiko rehefa manatrika azy ireo. Afa-po aho na misy aza ny olana madinidinika. Rehefa mianoka ny mpijery, malaina mody ary milona tanteraka dia miampita ho azy aty anaty ny fahafinaretan'izy ireo. Isaorana be dia be ireo tonga rehetra miara-miKALO FITIA fanindroany indray e! Hafa mihintsy ny mihaona sy miara-mianoka haisoratra".

Tatitra sy angon-dresaka : Léa Fandresena

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 27/02/2016