Créer un site internet

Dox_100_antsirabe

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

21 Desambra 2014


TAKARIVA DOX, FAMARANANA NY FANKALAZANA NY FAHA-ZATO TAONA NAHATERAHAN'I DOX

Ho famaranana ny fankalazana ny faha-100 taonan'i Dox, ny Sampana zava-kanto an-tsoratra ao Vakinankaratra dia nanatontosa hetsika "TAKARIVA DOX" tao amin'ny Hôtel des Thermes Antsirabe tamin'ny zoma 19 desambra 2014 teo. "Ny hirako tsy maintsy hitoetra", io no teny filamatra novoizina tamin'izany takariva miavaka izany, izay nahitana mpanakanto maro nanohana.

Mitsangana miankavanana : Mami Bastah, Bekoto, Judh Gasy, Nary Njato, Randra (Lehiben'ny Section des Arts Littéraires de Vakinankaratra - vy nahitana an'izao hetsika izao)
Mipetraka miankavanana : RaSoa Mpantsaka Rano, Elie, Ny Eja


I Élie no solontenam-pianakaviana. Tsy diso anjara ny solontenam-panjakana. Tao ny poeta, nisy koa "mpantsaka rano"... Nahitana solontena avy ny Faribolana SANDRATRA, HAVATSA, Mpikabary...

Maro ireo hira isan-tsokajiny nanafanana ny fotoana. Ny sova sy ny amponga isankarazany tonga maro dia tena nisongadina tokoa. Maro rahateo koa moa ry zareo mpiangaly azy.

Tao anatin'izay tontolon'ny hirahira izay sy ny antsa Dox dia niavaka ny hira faneva somary no-"jaziana" nihirain'i Holy (RaSoa Madagasikara/RaSoa Mpantsaka Rano) niaraka tamin'i Élie (saxo) sy i Sissie (gitara). Hira faneva, hoy isika? "Ny hirako" no lohateniny.

Tatitra sy sary : Holy

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021