Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

16 Martsa 2016

TRITRIVA - 12 martsa 2016
 

TRITRIVA no anaran'ny hetsika iray notanterahina tetsy amin'ny CENTRE FRANCO-MALGACHE na CFM Anosy ny sabotsy faha 12 martsa 2016 lasa teo, natao ho fanomanana ny ROMBOM-PANAHY andiany faharoa hotontosaina any Antsirabe amin'ny volana aprily 2016.

 

Endrika kanto roa no nentina nanehoana ny tantaran-dRabeniomby sy Ravolahanta.

  • Angano poetika ny voalohany, niarahana tamin'ny poeta 7 mianadahy: Ny Ami, Degra, Mahery, Rima, Meva, Elodie ary Hanitra Olive.
  • Ny faharoa kosa dia tantara tsangana narahin-dihy nolalaovin'ny Kala Théatre.

?

TRITRIVA, indray mitopy maso

Tantara fahiny nalaza no niseho tao Tritriva. Tovovavy iray, antsoina hoe Ravolahanta, zanaka mpanankarena, no nifankatia tamin'ny mpiandry omby iray, Rabeniomby, izay mpiasany ihany. Noraran-dRay aman-dReniny Razazavavy. Nambara mihitsy aza fa misavi-tsaranga ny tovolahy satria tsy Ravolahanta mihitsy no sahaza azy. Ny fiafaran'ny tantara tamin'ny famonoan-tena tao TRITRIVA no nampanako ny tantara hatramin'izao fotoana izao.

?

Angano poetika

Teo amin'ny angano poetika dia efatra no mpilalao fototra. I Meva no nilalao an-dRabeniomby ary i Elodie no Ravolahanta . I Rima kosa no Ratrema, rain-dRavolahanta; i Hanitra Olive no reniny. Nanampy azy ireo i Ny Ami nitana ny toeran'i Dadafara; i Degra no mpisikidy ary i Mahery no natao môpera.

Ny Ray aman-dRenin-dRavolahanta, voalaza fa henjana tamin'ny fitaizana, no nahavatra nidodododo nankany amin'ny mpisikidy hila hevitra momba ny fampisarahana. Nitaky zavatra maro anefa ny mpisikidy ka niala maina tamim-pahatezerana izy mivady. Nandamoka ny zavatra rehetra. Niroso tamin'ny famonoan-tena izy roa kely.

Toy izao no nanehoana ny famonoan-tena. Tohatra teny aorian'ny sehatra no niakaran'izy roa ary nitsambikinana, toy ny lasa tany ambadiky ny tsy tazana tany.

?

Kala Théatre

Na tantara iray ihany aza no naseho an-tsehatra dia hafa kosa ny nitondran'ny Kala Théatre ny kantony.

Araka ny anaran'ny tarika angamba no nakan'ny vehivavy toerana lehibe teo amin'ity tranga mampivarahontsana ity.

Maro tamin'ireo renim-pianakaviana tao an-tanàna no niezaka samy nandresy lahatra ny renin-dRavolahanta, fa mba samy te hanam-binanto an-dRavolahanta. Nasesika izao fandresen-dahatra rehetra izao toy ny hoe "ny anay no mahay", "ny anay no manana", "ny anay no tsara", "ny anay no mifanentana amin-dRavolahanta fa tsy ny mpiandry omby"...

Nifankatia hatrany anefa Rabe sy i Vola na niezaka nisompatra ny fiaraha-monina. Fantatra ny fiafaran'ny tantara fa notohizana tany amin'ny varo-tsy mifody ilay fitia nomasahana.

Toy izao kosa no fomba nanehoan'ny Kala Théatre ny fiafaran'ny tantara. Nisy lamba miendrika rano teo amin'ny sehatra. Rehefa avy niakatra ambonimbony iny izy roa no nitsambikina tao. Dihy sy hira no nandravaka ny fotoana.

Tatitra: Heriarilala Andriamamonjy.

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 16/03/2016