Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

24 Martsa 2016

FIHAONAN'NY MPANORATRA - 21 Martsa 2016

Ambohipihaonan'ireo rantsa-mangaikan'ny soratra tokoa ny tetsy amin'ny Tranombokim-Pirenena Anosy ny 21 martsa 2016, nahitana ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Asatanana mpikarakara, ny FMTS, ny UNESCO ary mpanoratra maro.

Hafatra avy amin'ny filohan'ny UNESCO ny amin'ny mahazava-dehibe ny angano sy ny tononkalo no nanokafana ny fotoana izay novakian'ny solontenany.

Taorian'izay dia ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Asatanana mpisolo toerana no namelabelatra fa ny mpanoratra dia manana adidy manaitra ny olona satria mitondra hafatra mahomby amin'ny haren-teny malagasy na eo aza ny fanatontoloana. Tamin'ny alalan'ny antsan'ny tononkalon'i Zo Maminirina no namaranany ny lahateniny.

Rehefa izany dia notolorana mari-pankasitrahana ireo 4 mianadahy mianaka zokiny indrindra sy zandriny indrindra amin'ny mpanoratra lahy sy vavy.

Niara-nitsidika an'ireo fafana maneho ireo famangiana sekoly amin'ny alalan'ny angano sy tononkalo tamin'ity volana martsa ity ny rehetra.

Nirosoan'ny mpanatrika avy eo ny tsaingoka malagasy toy ny koba, ny saonjo, vomanga, ovy, voanatsindrana, rotra, goavitsinahy sy ny sisa.

Antsa tononkalo nifandrimbonan'ireo mpanoratra avy amin'ireo fikambanana sy ny mpiasan'ny Minisitera ary ireo mpianatra mpanoratra avy any Anjozorobe no nandimby izany.

Nandray fitenenana indray ny Sekretera Jeneralin'ny Minisitera namarana ny fotoana. Nolazainy ary fa ny soratra dia fanabeazana ary misokatra hatrany ny varavaran'ny Minisitera amin'ny fiaraha-miasa amin'ny mpanoratra. Nisy ny fandraisana ny mombamomba an'ireo mpanoratra tonga tao ary notolorana fanomezana avokoa izy ireo. Santatra am-bavarano ihany ity fihaonana ity fa ny manetsabe mbola ho avy.

Tatitra sy sary: Ikaloyna

 

   
   
   
   
   
   
   
   
   
   
   
   
   
   
   
   
   
 
   
   

 

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 28/03/2016