Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

31 Martsa 2016

ENS Sampana Malagasy niseho vahoaka: ARY NISY KALO

Ny ENS Ampefiloha dia toerana fianarana mampiofana mpanabe hampita fahalalana eny amin'ny sekoly. Ilaina noho izany ny fahasahiana miseho vahoaka sy ny fahaizana mampita ny fihetseham-po amin'ny alalan'ny endrika. Izany indrindra no nahatonga ny sampana Malagasy nanolotra ny ARY NISY KALO tetsy amin'ny CEMDLAC Analakely ny Alarobia 30 Martsa teo. Nanomboka tamin'ny 2 ora sy sasany ny seho izay nialoavan'ny fanazavana fohy mahakasika ny Sampana Malagasy ao amin'ny ENS Ampefiloha nataon'Andriamatoa Mpampianatra James. Izy ihany koa moa no nisahana ny fanolorana ny seho. Nizara telo mazava tsara izany.

Ny fizarana voalohany no niangalian'izy valo mianadahy ny Soratra sy ny Tanindrazana: ADHJAN, RMTEP, ANNA ZAELA, LOV'AINA, TSANTA MIKANTO, RANOLY, RANJA HERY MAYAM, MIELIN'ANJA.

Ny fizarana faharoa kosa no nampianohan'izy ireo ny mpanotrona tao anatin'ny Fitiavana sy ny tontolony.

Ny fizarana fahatelo farany no nanehoan'izy ireo izany fahamoizam-po mitarika ho amin'ny fahafatesana anatin'ny fitiavana izany.

Ny fizarana rehetra dia nohaingoin'izy dimy mianadahy avy ao amin'ny TAFASIRY KOLOKANTO tamin'ny feo kanto Malagasy anatin'ny ngadona kalo fahiny.
Tsy iza izany fa i Ranto, Dera , Sitraka,Toky ary Manda. Andriamatoa Victor James no mpitarika sy mpitendry.

Izy dimy mianadahy mpihira ireo dia samy efa nandray ny asa fanabeazana ary izy valo mianadahy kosa dia ao anatin'ny taona faharoa.

Miarahaba azy ireo nahavita ny adidy amin'ny fanandratana ny maha-Malagasy ny Pôetawebs ary mirary ny hitohizan'ny Kanto miampita sy ny asa fanabeazana.

Tatitra sy sary: Doda Razafindravelo

 



   
   


 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 31/03/2016