Créer un site internet
Pôetawebs

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

03 Aprily 2016

ZARAFANAHY ANDIANY FAHAENINA - 2016

Toy ny fanaon'ny Faribolana Sandratra isan-taona ho famaranana ny iray volan'ny pôezia dia Zarafanahy andiany fahaenina no natolotrra tao amin'ny CGM ny 26 martsa 2016 lasa teo.

Nanasana mpikanto ny pôezia ny Zarafanahy ka nisy ireo avy lavitra ary tao koa ireo any ivelan'ny faribolana. Miisa 7 mianadahy izy ireo:

- Hajaina (Havatsa Upem)
- Kelly Randria (Sandratra Tanambe)
- Ny Andriamanitry Ny Ala (Sandratra Tsiroanomandidy)
- Tolotra Arinandriana (Toliara)
- Tagmam Namgat (Madagaslam)
- Miary Fanahy (Tsanta)
- Ditra Ratsihoaranarivo (Stelarim).

Pôezia maroloko no natolotra ny mpijery toy ny tononkalo miendrika hainteny, ny slam, ny tsilalaon-teny, ny tenin-jatovo, hany ka tsapa fa kanto sy miaina ny soratra malagasy.

Nasaina niantsa koa i Annatsoa Haingo izay solontenan'ireo mpizara fanahy tamin'ny andiany taloha.

Nandravaka hira ny tarika Mialy Andrianina sy ny tarika Raingy izay tompontrano rahateo.

Antenaina fa tsy ho latsa-danja amin'ity andiany faha 6 ity ny andiany manaraka afaka herintaona toy izao.

Tatitra sy sary: Ikaloyna Vony

 






Izy dimy mianadahy



Hajaina


Ditra Ratsihoaranarivo
Kelly Randria


Tagman Namgat
Miary Fanahy


Ny Andriamanitry Ny Ala
Tolotra Arinandriana


Tarika Mialy Andrianina
tarika Raingy

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 03/04/2016