Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

27 Aprily 2016

ROMBO teto Antsirabe, 08-09 Aprily 2016

Notanterahina teto Antsirabe tokoa ny 08-09 aprily lasa teo ny ROMBOM-PANAHY 2. Ity hetsika ity dia natao indrindra hampahafantarana ireo mpanoratra tsy fanta-pisiana hatramin’izay,  hampidirana azy ho  eo amin’ny tontolon’ny Soratra : ny famoaham-boky, ny antsa… Ary tamin’ito dia famoahana boky iray misy ny soratr’ity andiany faharoa ity no natao.
Hetsika maro no nofaritana hatao mandritra ireo andro ireo. Andeha ary harahintsika an-tsary ny fizotran’ny sasany tamin’ireny, dia ny lanonam-panokafana  sy ny Tsangan-tononkalo “TRITRIVA” izay natrehinay.

Tatitra sy sary: Narinjato

CARNAVAL SY LANONAM-PANOKAFANA

 
“Carnaval” niainga teo amin’ny tsangambaton’ny Fahaleovantena nihazo ny Tranoben’ny Kolontsaina.  
   
 Mifanontany ny mpandalo hoe : "Fa inona ireto?", nisy namaly hoe
"Ry zareo mpikabary angamba ireo..."
Anisan'ireo toerana nolalovan'ny "carnaval" 
   
 Fahatongavan’ny "Carnaval" teo anoloan’ny Tranoben’ny Kolontsaina Efa nisy olona niandry ny fahatongavan’ny mpanao “carnaval” teo anoloan’ny Tranoben’ny Kolontsaina
   
 
Nisy ny efa vonona tamin'ny fakantsary (Rtoa Raketamanga)  
   
 Eo anoloana, ireo olo-manankaja tonga nanome voninahitra ny fotoana.
Ao aoriana, ireo mpilahatra efa nahazo toerana.
Hanitra Olive, Mpiahy ny Rombom-panahy 2. Mpandaha-teny voalohany 
   
 RIMA, nanorina ny Rombom-panahy,
namariparitra ny nahatonga azy hamorona  ity Hetsika ity. Mpandaha-teny faharoa
Rtoa Laure RABARISON Mpiahy sady nanorina ny Rombom-panahy.
Izy no Talen’ny  OFNAC. Mpandaha-teny fahatelo
   




Solontenan’ny Lehiben’ny Faritra Vakinankaratra mpampiantrano.

Mpandaha-teny fahefatra

  Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny  Kolontsaina sy ny Asatanana.
Mpandaha-teny fahadimy 
   
Teny an-tsefatsefaky ny lahateny teny, nisy antsan-tononkalo.
R-Degra eto no miantsa, Rombo 2
 Mamiratra, Rombo 2, isan'ny niantsa tononkalo
   
Ra-Phi, mpitarika ny Sandratra Antsirabe, niantsa ihany koa
   
 BOKY SY MARI-PANKASITRAHANA



Fanolorana ny Boky Rombom-panahy 2 nataon’i Laure Rabarison


RIMA, NAMALY NY FANONTANIAN'I NARINJATO

Narinjato
Hono ho’aho RIMA, inona avy iny Mari-pankasitrahana nozaraina teo iny?
RIMA
Mari-pankasitrahana ho an’ny mpandray anjara rehetra tamin’ny Rombom-panahy izy iny, na ny ankizy nanoratra, na ny mpiara-miasa, izay rehetra nanolo-tanana tamin’ny Rombom-panahy. Ny ekipan’ny  Rombom-panahy moa izany no nanao an’iny fa nanao sonia fotsiny ny Ministera sy ny Lehiben’ny Faritra Vakinankaratra noho izy mpampiantrano. Marika fotsiny iny izany milaza hoe nandray anjara tamin’ny Rombom-panahy izy. Misy avy lavitra ireo ankizy ireo : Toamasina, Amoron’ny Mania… 

Narinjato
Fa ahoana no tena fiasan’ilay Rombom-panahy?
RIMA
Amin’ny Facebook. Efa fantapantatr’ilay ankizy ilay Rombom-panahy, dia maneho ny faniriany handray anjara izy, dia misoratra anarana. Dia omena azy ny toro-marika rehetra.

Narinjato
Ilay ankizy ao anatin’ilay boky androany izao, inona no dingana efa nolalovany?
RIMA
Tsy nisy dingana mihitsy. Raha vao efa nanao dingana izy dia tsy tafiditra tato; ilay ankizy mbola tsy nanao dingana mihitsy no natao hoe andeha hanandrana hanao dingana iray, dia hanomboka hiantsa, dia hamoaka boky sns... Tena tao ireo izany vao nampianarina hoe hiantsa…

Narinjato
Izay fotoana izay, hafiriana ?
RIMA
Tsy dia misy hoe hafiriana fa angonangonina eo ilay ankizy dia omena fotoana...

Narinjato
Dia izao izany, eo am-piandrasana ny Rombo-panahy 3, inona no zavatra hitranga ?
RIMA
Ireo ankizy ireo izao no halefa, hasaina misintona sy manentana izay namany fantany hoe tia sy maniry ilay izy, dia ireo indray no ho lasa Rombom-panahy 3. Hangonina amin’ny fotoana iray izay mifanakaikikaiky, dia jerena ny zava-misy any aminy, dia  mankany izahay manao "atelier" kely, dia asaina alefany ny sorany, tsy asiana sivana fa na ratsy na tsara tonga avy any dia raiketina aloha, ny tsipelina fotsiny no tsaraina… Dia izay! Mankany, mankany! Fa ny fanatsarana izao no hojerena. Ny tsara homarihina dia izao : ny Rombom-panahy dia tsy hetsiky ny Ministera akory ary tsy nisy fanohanana ara-bola avy amin’ny Ministera fa fanotronana, fanomezan-kasina no nangatahinay tamin’ny Ministera ary dia nataony…

Narinjato
Misaotra an’i RIMA nanome fanazavana fanampiny.
   





Toy izany koa ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanomanana io hetsika io
Nomena taratasy fankasitrahana ireo mpanoratra tao anaty boky  
   
Ny fonon'ny boky Avy ao ivoho
   
FAFANA SY TSAINGOKA
   
Ny Mpanotrona, teo anoloan'ny fafana naseho azy Tsaingoka no namaranana io maraina io : Sakafo malagasy naroso tamin’ny fomba sy ny fahatsoran’ny Malagasy 
   



Mampiakatra vera ny mpanotrona sy ny notronina
Fanapahan'ireo Mpiahy sy tomponandraikitra ny koba   
   
Rehefa avy nizarazara ny koba izy dia... Santionan'ny boky narentirenty teo an-databatra fisakafoanana 
   
TRITRIVA
Tsangan’angano nahitana ny tantaran-dRabeniomby sy Ravolahanta no naseho tamin’ny 04 ora tolakandro. Seho nahafinaritra nahitana an'i Meva, Rima, Hanitra Olive, Elodie, Fotopisaina RaOly, Vetso ary i R-Degra
   
 Elodie sy Meva milalao an-dRavolahanta sy Rabeniomby Elodie sy Hanitra Olive milalao an-dRavolahanta sy ny reniny 
   







Ireo mpilalao sasany, miankavanana :

Fotopisaina RaOly (mpandray anjara mpanampy) ,R-Degra (Dadarabe), Vetso (Nenifara), Elodie (Ravolahanta), Meva (Rabeniomby)

Ravolahanta sy Rabeniomby mifamihina  
   
 
  Efitrano ahitana seza mihaja toa izao no nandraisan'Antsirabe ny Tsangan-tononkalo “TRITRIVA”


"Hojerena izay fanatsarana" hoy RIMA. Zava-dehibe amin’ny mpikarakara hetsika tahaka itony Rombom-panahy itony ny fahatsapana fa n’inon’inona mety ho fahafaham-po azony dia misy foana lafiny azo hatsaraina. Raha ity andiany faharoa ity izao no heverina dia inoana fa voamariky ny tompon’andraikitra fa raha tokony ho fampihaonana ny mpanoratra vaovao amin’ny mpanoratra efa manana traikefa sy ny mpanjifa, dia ny vahoaka izany, ny hetsika sahala amin’itony, dia tsy izany loatra no niseho. Maro amin’ny mponin’Antsirabe izay nanaovana ny hetsika tamin’ito no tsy mahalala akory ny nisian’izany Rombom-panahy izany teto, ary anatin’izany ireo mpanoratra izay tsy vitsy eto amin’ity Renivohitr’i Vakinankaratra ity. Ezaka iray tokony hodinihina manokana  izany ny  amin’ny lafiny serasera fampahafantarana mialoha ilay hetsika, ny fanasana izay rehetra tokony ho voakasika na ho liana amin’izany.

 

 

 

 

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

 

 

Date de dernière mise à jour : 05/05/2016