Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

19 Mey 2016

VAOVAO MAHAFALY - Avelo Nidor

Tontosa soa aman-tsara ny hetsika VAOVAO MAHAFALY nataon'i Avelo Nidor ny asabotsy 30 aprily 2016 lasa teo tao amin'ny Tranompokonolona Analakely. Ny hetsika dia maneho an-tsary ny fahita any am-piangonana na ny fitafin'ny mpandray anjara na ny teny tenenina. Ohatra ny hoe: "vaovao mahafaly nosoratan'i Masindahy Avelo Nidor".

Teo ihany koa ny lohahevitry ny tononkalo isam-pizarana, izay manaraka ny Vavaka nampianarin'ny Tompo sy ny tenin'Andriamanitra.
Voalohany: hohamasinina anie ny anaranao. Faharoa: hatao anie ny sitraponao... Dia toy izay hatrany hatrany.

Marihina fa tsy faniratsirana fivavahana velively akory no natao teto fa toa fanehoana hoe miantefa any amin'ny mpitondra fanjakana eto amintsika ny hafatra. Ohatra: "Omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay", dia "hohamasininay ny anaranao" ary "hataonay ny sitraponao". Izany hoe efa tompoina sy hajaina mihitsy ny mpitondra eto amintsika mba hanao izay hihinanan'ny vahoaka sakafo.


Zokibe nanotrona sy nanampy: Nalisoa Ravalitera, Ranoe, Tahirintsoa

Namelona ny antsa: Andriniela, Riambola Mitia, Tahirintsoa, Tsitohery, Narilala, Liantsoa, Na Hassi, Niravo, Ony Mihajanirina, Tsiahy Andrianina.

Mpiredona isaky ny fizarana: Lefitra, Kens, Mina Ilarion, Élodie, Ratsifa.

Mpiserivy: Harinajaina

Mpihira mpanelanelana: Belahy, Felaniary, Semanjaka

Feno hipoka ny efitrano izay manaporofo ny fankafizan'ny olona Poezia.

Tatitra: Heriarilala

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 06/05/2016