Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

02 Jona 2016

Iray volan'ny teny Malagasy - Akademia

Nosokafana ara-pomba ofisialy tamin'ny 1 jona 2016 teo teny amin'ny Akademia Malagasy Tsimbazaza ny iray volan'ny teny Malagasy, androany maraina. Miara-dalana amin'io ny fankalazana ny faha-150 taonan'ny Gazety Malagasy.

Loha-hevitra amin'ity taona ity ny hoe :

"Ny teny sy ny Gazety Malagasy : fitaovam-panabeazana mahomby"

Nanokatra ny fankalazana tamin'ny fitantarana fohy ny momba ny Akademia Malagasy ny filohany Andriamatoa Rajaona Andriamananjara. Nanolotra boky roa ny filoham-pirenena Malagasy ihany koa izy.

Narahan'ny fiantsana ny tononkalon'i Rado izany ka ny zanany Andry Andriamanantena ihany no nanatanteraka ny fiantsana.

Tsara ny manamarika fa eo ambany fiarovan'ny filohan'ny Repoblika ity fankalazana ity. Nandray anjara fitenenana noho izany Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina. Nandritra izany no nanambarany ny lanjan'ny teny Malagasy. Kanto ny teny Malagasy, indraindray anefa fahazarantsika ny manafangaro azy ka zary manimba ny teny. Mila miezaka ny Malagasy hoy ny filoha Hery Rajaonarimampianina, hampiasa madio ny tenim-pirenena.

Eto am-pamaranana, ny ekipan'ny Poetawebs dia mirary ny Malagasy rehetra hahatafitasoa ny fanajana sy ny fanandratana ny Teny Malagasy! Mirary kanto hiampita ho an'ny mpandala ny literatiora Malagasy izay miangaly izany teny izany.

 

Tatitra: Doda Razafindravelo

Sary: Riambola Mitia

 

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 02/06/2016