Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

31 Mey 2016

MARAIS MASAY : PÔETA NIANTSA

Ny Poezia? Tsy mifidy fotoana na toerana tokoa. Antsa tononkalo ankalamanjana no notanterahina ny 16 mey 2016 teny amin'ny Farihy “Marais Masay”.


Poeta vitsivitsy nifamotoana ary nanapa-kevitra hiantsa sy hamelona ny asa soratra malagasy ao anatin'ireo mpitsangatsangana maro be.

Maro ireo liana, tao ihany koa no somary taitra. Ny tanjona tamin’ny hetsika dia ny hanaporofoana fa "Velona sy miaina ny Literatiora Malagasy", ary azo tanterahina na aiza na aiza ka tsy tokony avelantsika ho very hasina.

 

Santionany tamin'ny sombin'ainga nataon'ny tsirairay ireto:


- Malagasy leisy ialahy ... Bade

- Malala a! Tendry Razaf

- Mangataka minitra vitsy ... Fotopisaina RaOly

- io fofombadiko io ... Vina

- Azafady ry akama raha ... Mamiratra

- Sa rehefa Gasy dia noheverina fa ratsy ... Poeta Adala

- Nongotako hiala ... Endrik Aizina

- Misaotra ... Ny Ami

- Eo ambony fandriana ... Kens Andrianjafy


Kens Andrianjafy

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 31/05/2016