Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

08 Mey 2016

FANAHY TSY INIANA - CEMDLAC - 4 mey 2016

Ny masoandro hono raha miposaka misy aloka, ny volana raha manazava misy rahona,
ary isika no te ho tonga lafatra kanefa misy ny fanahy tsy iniana. Noho izany indrindra no anolorana ny seho an-tsehatra izay natolotra tao amin'ny CEMDLAC Analakely ny alarobia 04 mey 2016 teo tamin'ny 2 ora sy 34 minitra.

Namaky ny fanolorana ny boky izay nosoratan'ANDRIAMIARANA Mbolatiana na MBOLA-NAMANA i Bade RaAnRaMa. I Nahary Penina indray no nanohy izany tamin'ny sarika nosoratan'i Tsiky Rakotomavo momba azy 3 mianadahy.

Nisy koa ny fialan-tsiny nataon'i Fotopisaina RaOly noho ny tsy nahafahan'i Niaina Sakaiza izay tsy fanahy iniany noho ny aretina nahazo azy.

Nanombohana ny seho ny hira narahan'ny antsa maromaro izay nifandimbiasan'ny mpiantsa. Nantsaina tamin'izany ary ireto: Ho avy, Mitia irery, Ny fahasambarana Amiko. Mitia anao tanteraka, Fitaovana, Mangin'E, Sadasada, Marary. Vovoka hody tany. Ireo dia tononkalo manambara ny resaka fitiavana amin'ny ankapobeny, izay tsy fanahy iniana hisy fa nipoitra ho azy tamin'ny olona. Ary toy izany koa ny aretina sy ny antony nahatonga antsika ho vovoka fiafarana.

Resaka fitiavana ranoiray miaraka amin'ny fitiavana poeta sy famaritana ny poeta ny fizarana faharoa. Ireto avy ny lohatenin'ny tononkalo nantsaina tamin'izany: Mananjina, Tiako noho ianao, Hizarao Fitiavana, Ilay malalanao, Fa tia anao aho...

Mbola hira indray no nentina nampidirana ireto tononkalo ireto:
Rehefa ny poeta, I Neny moa poeta ?, Aza mitia poeta,Ny olo tsa tea, Mitiava...

Hira no nentina nampidirana ny fizarana fahatelo.
Seho hafa kely no namaranana ny fizarana satria tsy fanahy inian'ny mpijery tokoa no nahita izany dia antsa arahana hira miaraka aminy izay kanto tokoa. Mifanaraka tsara ny mpiantsa sy mpihira amin'izany ary 4 mirahalahy izy ireo no nanatontosa.
Ireto tononkalo ireto no natolotra: Filoha, Propagandy, Politika, Tany tan'dalana, Bavy, Peta-drindrina, Isika tsy mitovy, Tolona.

Ny tena namaranana ny fotoana dia ny fiantsan'i Jacky, lehilahy jamba, ny tononkalon'i Fotopisaina RaOly "Noho ny nataonao". Tehaka nirefodrefotra no nasetrin'ny mpijery izany. Nanondro tamin'ny 5 ora hariva ny famataranandronay.

Ireto avy ny mpandray anjara fototra: Niaina Sakaiza (tsy afaka), Fotompisaina RaOly, Nahary Penina
Mpandray anjara mpanampy: Tiana Miandrisoa, Rose Madagascar, Bade RaAnRaMa, Omega Ratojo.
Mpihira: Bienvenu sy Nambinintsoa Randria (Njaka)
Mpitendry: Mamy

Tatitra: Léa Fandresena

 

 

 

 

 
   
   

 

 

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 08/05/2016

×